Edito

Enga anie ho matotra tokoa


  • Talata 09 Febroary 2016

Mifantoka eny amin’ny antenimierandoholona Anosikely indray anio ny sain’ny mpanara-baovao. Inona indray no hitranga eny ? Iza no mety ho filoha hitarika ity andrim-panjakana ity ?


 Ny azo antoka fotsiny aloha dia matanjaka ny HVM ao ary tsy tokony hanonofy fa raha vao misy volavolan-dalàna metimety amin’ny fitondram-panjakana dia ho lany avy hatrany. Miresaka ny olon-tsotra, mifanontany eny an-dalambe sy any anaty birao : fa hatao inona marina moa izany ity antenimierandoholona ity e  ? Ary nahoana no tsy nifidy mivantana ireo mpikambana ao aminy ny vahoaka. Mbola tena manjavozavo amin’ny ankamaroan’ny Malagasy ny rafi-pitondrana sy rafi-pitantanana misy eto. Tsy mazava amin’ny olona hatramin’izao ny hoe ilay lalampanorenana nofidiana tamin’ny 2010 ve io ampiasaina io ? Tsy hain’ny olona ny manavaka ny asan’ny solombavambahoaka sy ny asan’ny loholona. Ilay hoe misy 21 tendren’ny filoha ihany koa tsy mbola azon’ny olona tsara. Manjavozavo amin’ny vahoaka matetika ny resaka politika ary tena samy manana ny heviny ny tsirairay. Amin’ny maha loholona azy ireo dia andrasana ny fampisehoan’ireto hiasa etsy amin’ny lapan’Anosikely ireto fahendrena sy fahamatorana ary fikarohana tokoa izay mahasoa ny firenena sy ny vahoaka, ka tena ho mpanolotsaina sy mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka tokoa izy ireo fa tsy sanatria ho lasa loholona mpanara-drenirao fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT