Edito

Enga anie !


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Ela ny ela ka vita ihany ny fanasoniavana ilay sori-dalana rehefa avy nifandrirarira sy nifanasa vangy ny mpanao politika.

 Ho an’ireo mahatadidy tsara ny fifanarahan’i Maputo ary nohamafisina tany Addis Abeba dia mitovitovy amin’izay ihany ity sori-dalana nosoniavina teny amin’ny Le Paon d’Or Antanetibe Ivato ity ny sabotsy 17 septambra vao mangiran-dratsy. Voalaza ao mantsy raha fintinina fa hisy fanavaozana sy fanamboarana ireo rafitra rehetra ao amin’ny tetezamita, tsy maintsy manana solontena ao ny ankolafy rehetra ary afaka mody an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo sesitany, anisan’izany Atoa Marc Ravalomanana. Izay no tena votoatin-kevitra ao ary miankina amin’ny fanatanterahana izany no hampiverina tsimoramora na tsia ny famatsiam-bola avy any ivelany izay tena ilain’i Madagasikara tokoa amin’izao krizy izao.

Ny fanontaniana manitikitika ny maro izao dia hoe  ahoana no hanatanterahana ny voasoratra ao amin’ity sori-dalana ity ? Horavana ve izany ny governemanta ? Tsy tafaverina amin’ny toerany intsony ve ny jeneraly Camille Vital ? Ahoana ny momba ny CENI ? Ny mpanohitra mantsy dia mitaky ny hanovana tanteraka ny mpikambana ao aminy sy ny fomba fiasa ao mba tsy ho anarana fotsiny ilay hoe vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana. Fanontaniana iray goavana koa ny hoe : manaiky ireny tapaky ny mpanao politika teny Ivato ireny ve ny foloalindahy sa hitsivalana amin’ny andininy sasantsasany, tahaka ny fiverenan-dRavalomanana eto ? Dia ahoana koa ny momba ireo gadra politika ? Avoaka daholo ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ve sa mbola hiandry ny fijoroan’ny parlemanta vaovao ? Nambara izy ireny fa mpanapoaka baomba, mpanao asa fampihorohoroana, nikasa hamono ny filohan’ny FAT kanefa hita sy tsikaritra ihany fa tena fitsarana politika no nisy teto nanomboka tamin’ny 2009 ka nampanginana ireo sahy nanohitra sy niteny ny tsy mety ataon’ny fanjakana.

Raha hiroso amin’ny fampihavanana anefa dia tsy maintsy mampiseho fihetsika feno fahavononana ny fanjakana fa tsy hanao dridraningilo hilaza foana fa tsy azo ekena ny tsimatimanota, na hoe nahaleotena ny fitsarana nanameloka ireny olon’ny mpanohitra ireny. Angamba efa tsy fotoan’ny fifanenjanana sy fifanandrinana intsony izao fa fotoan’ny asa sy ny fifanomezan-tanana. Mazava ny resaka fa tsy nahalasa lavitra ilay tetezamitan’ankolafy tokana, ary ny hevitry ny maro ihany no mahataka-davitra, izay be no basy fa tsy hoe izay manana basy no lehibe. Efa nisinisy ihany izay fanomezan-toky teto izay, fa ny amin’ity indray mitoraka ity kosa angamba mba hamokatra amin’izay fa tsy malaza tsy hihinanana toa lovian-tsahona. Nampiseho fahendrena sy fandeferana ny mpanao politika. Enga anie ka hitohy hatramin’ny farany izany fa tsy ho simban’ny ady seza indray sanatria !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT