Ankoatry ny fahatarana fotoana indray, dia hita hoe mirafidrafitra sy voaomana tsara kosa aloha ny resaky ny filoham-pirenena omaly.
Nasehony fa olon’ny serasera izy ka mandeha daholo ny teny, sary , soratra hanazavany ny heviny.Tena mazava, mety nisy fanina ihany tamin’ireo tarehimarika an’arivony miliara ariary fa efa ireny moa no zavamisy sy ho avy manaraka indray izany.Asa hoe efa tahaka an’iny mihitsy ve ilay endrika serasera nosafidin’ny filoha sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy fa ny firenena mbola ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina no miresaka fanamboarana fotodrafitrasa goavana.Fanamboarana ozinina maro be, fanamboaran-dalana…nisy nanontany tena mihitsy omaly hoe f’angaha efa propagandy indray moa isika izao.Tsy mbola nisy resaka datim-panadinana mazava, nambara fotsiny fa tsy ho taona fotsy ny amin’ity.Mifandraika amin’izay tsy misy resaka momba ny mpampianatra sy ireo sokely tsy miankina izay tsy mandohalika intsony fa efa tena mandady mihitsy ankehitriny.Hisy kosa ny fihaonan’ny filoha amin’ireo mpandraharaha handaminana ny fanarenana ny toekarena ; antenaina fotsiny mba tena ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro fa tsy sanatria andiana mpandraharaha efa voky no mbola ho sesefana indray.Mazava ny resaka eto fa mbola faritra mena i Toamasina, Fenerive Est, Moramanga ary ny faritra Analamanga.Misy zavatra mila jerena akaiky io satria malaza fa mbola misy ihany ireo olona tafaporitsaka amin’ny « barrage sanitaire » ka mivezivezy amin’ny lalam-pirenena faha 2 sy faha 5.Tena mila hentitra ny mpitandro filaminana fa tsy fitandremana kely mety tena ho vidiana lafo.Mila miafy kely aloha, hoy ny filoha dia hiafy tokoa moa izany ny voakasik’izay.Maro ireo mitaraina fa efa lany vatsy, inoana fa mahalala ny tokony hataony ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ka mba andiany farany kosa ity fahamehana 15 andro nanomboka ny sabotsy teo ity.Volana Jolay mba efa miverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra dia hiroso tokoa ireo asa maro be nambaran’Andriamatoa filoha ireto ary dia maro no hahita asa vita fihibohana. Enga anie !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.