Edito

Enga anie


  • Alakamisy 28 Janoary 2016

Mifantoka any amin’ireo olona 21 hotendren’ny filoham-pirenena ho loholona indray aloha izao ny saina aman’eritreritr’ireo izay mbola liana ihany amin’ny raharaham-pirenena.


 Fantatra mantsy fa 400 be izao ireo nanatitra antontan-taratasy, izany hoe manam-paniriana ho loholona ka hotendren’ny filoha. Avy amina firehana politika sy sehatra maro samy hafa izy ireo. Maro no efa fantatra sy hita matetika eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika, ao koa anefa ireo olom-baovao be mihitsy. Raha ny fifandaminana natao mialoha ny repoblika faha-4 no heverina dia tokony ho anisan’ireo loholona tendren’ny filoham-pirenena avy hatrany ireo filoha nifandimby teo aloha, ny filoha am-perinasa moa no tompon’ny teny farany. Hanaja ny fifandanjan-kery sy ny demokrasia ve izy sa hanome vahana hatrany ny antokony dia ny HVM, izay efa nandresy mazava tamin’ny latsa-bato nataon’ireo mpifidy lehibe. Ny mampanahy amin’ity resaka ity dia sao lahy loholona efa voabaiko fotsiny indray ny etsy amin’ny lapan’Anosikely ka izay volavolan-dalàna atolotry ny fitondram-panjakana dia lany tsy misy fanitsiana avokoa. Enga anie ka mba hisy loholona, tena loholona tokoa ka hahay hitsinjo ny soa iombonana fa tsy hanompo fanjakana fotsiny …enga anie !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT