Edito

Enga anie !


  • Talata 08 Oktobra 2013


Miha mahoraka ankehitriny ny fisiana kajy   politika any ambadibadika any ka mety hanamboarana ny voka-pifidianana, ka mety tsy tena ny safidim-bahoaka marina no hipoitra eo fa zavara hafa. Mbola maro anefa ny manantena fa mijanona ho siosion-dresaka ihany izany fa tsy tena marina. Miandry ihany koa ny olona ny amin’izay tena hafitsoky ny CENI-T. Hira sy tsianjery naverimberin-dRtoa Atallah Batrice mantsy ny hoe efa tena niomana  ny CENI-T, matihanina amin’ny fikirakirana ny resaka fifidianana, tsy hisy ny tsindry bokotra na fitsabahan’ny hafa amin’izay asa ataon’ny CENI-T fa tena teknika tanteraka no atao ao, tsy misy idiran’ny politika, ary araka ny anarany dia mahaleotena ity vaomiera ity. Enga anie ka ho marina sy ho tanteraka daholo izany tenin’ny filohan’ny CENI-T  izany, satria raha sanatria ka misy olana hitarika fifandirana ny voka-pifidianana, dia azo antoka fa hitatra ny krizy ary mety tena ho mafy kokoa noho ny niainana teto nandritra ny 4  taona aza. Tsy misy maniry ny hampitombo ny fahoriana efa misy izany, afa-tsy ireo mpikarama  an’ady mahazo tombontsoa amin’ny fikorontanana sy ny ady angamba.

Tsy azo atao hoe tonga lafatra ny fiomanana tamin’ny fikarakarana ity fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ho avy ity, fa kosa raha samy mandray ny andraikiny sy mahalala onona ny rehetra dia tsy hisy ny olana, goavana dia goavana ny toeran’ny CENI-T ao anatin’izany rehetra izany, satria mila manaja ny lalàna velona ny propagandy, ny fizotry  ny fifidianana, ny lamina ara-teknika rehetra. Fa makadiry ihany koa ny andraikitry ny CES, satria izy no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana, ka na tsara aza ny fikarakarana sy ny fizotry  ny fifidianana, dia tsy mbola  resaka hafa mihitsy ny mety hitranga aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana. Maro be ny zavatra tsy manjary hita nandritra ity fitondrana tetezamita ity, ka izany no mahatonga ny olona sasany velon’ahiahy momba an’io voka-pifidianana io. Enga anie ka mba handinika tsara ny zava-misy marina sy ny tena hetahetan’ny vahoaka  ireo rehetra manana andraikitra amin’ny fikarakarana ny fifidianana ka tsy ho baikon-javatra hafa, ankoatra ny tombontsoam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT