Ny zoma ho avy izao no hifidianana izay ho filoha hitarika ny CENIT na vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ao anatin'ny tetezamita.
Hatramin'ity anio ity no fe-potoana farany hahafahana mametraka ny antontan-taratasy ho an'ireo kandida. Mialoha izao dia efa maro ihany ny resaka nivoaka, anisan'ny tena malaza amin'ireny ny an-dry zareo administratera sivily izay manizingizina, tamin'ny alalan'ny filohan'ny SYNAD, fa ny solontenan'ny administratera sivily ao anatin'ny CENIT no mahafeno ny fepetra rehetra mba hiandraikitra ny toeran'ny filohan'ity rafitra ity. Hita ho tsy manaiky lembenana ihany koa anefa ny efidraharaha hafa, tahaka ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpisolovava, koa dia samy nanolotra kandida.
Misy ihany koa ny olona ivelan'ny CENIT naneho ny fahavononany hitarika ity vaomiera ity. Ihazakazahana fatratra, araka izany, ny toeran'ny filohan'ny CENIT satria tena goavana sy manana ny lanjany amin'ny fiampitana any amin'ny ara-dalàna, amin'ny alalan'ny fifidianana madio sy mangarahara. Azo atao hoe voalohany teo amin'ny tantaram-pirenena, no hisy rafitra ahitana ny solontenan'ny sehatr'asa sy herivelona maro tahaka izao, hikarakara sy hanomana ny fifidianana, na dia misy ihany aza ny tsy mbola nety nanolotra solontena. Kitoatoa ary tena nanala-baraka ilay fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 2010 nokarakarain'ny CENI, tamin'ny endriny teo aloha. Efa mba somary niova endrika kely izy io ankehitriny, satria manomboka hita taratra ao ny fiaraha-mitantana. Ny fiaraha-miasa no asa na hanao ahoana. Mazava ny ambaran'ny tondrozotra fa miandraikitra ny fikarakarana sy fanatontosana ny fifidianana ny CENIT ary hahazo fanampiana avy any ivelany. Antenaina fotsiny fa mba tena ho mendrika ny andraiktra hiantsorohany ka tena tsy hitanila amin'ny fanapahan-keviny ireo mpikambana ao amin'ity vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana ity. Raha sanatria mantsy ka izy ireo no miady seza sy manondrana dia tena ho nofinofy marina, ny hivahan'ny krizy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.