Edito

Endrika ivelany sisa !


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Ahoana no ahafahan’ny mpitondra Fanjakana mamaha ny olan’ny firenena

iray raha toa ka ny governemanta no olan’ilay firenena ? Io no mahafehy ny zava-misy ankehitriny, saingy iniana hikipiana, hanaovana hitsin-dàlana hatrany. Zary lambolamboina sy takotakonana amin’ny sehoseho ivelany, ka rehefa nitodihan’ny Malagasy maro an’isa tamin’ny tsy fandraisan’anjara feno tamin’ny fifidianana, dia any amin’ny serasera hanehoana amin’ny endrika ivelany fa ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena no lalaovina. Marina sy ekena fa tsy afaka hiolonolona eto isika fa moa tena mijery ny tombotsoan’i Madagasikara ve ireo vahiny sy filoham-panjakana Afrikanina kotiana mafy mba ho avy hanome voninahitra ny fianianana ? Dia tena mandry ve ny eritreritra eo anatrehan’izao efa zava-manjo ny firenena izao ? Miaina tanteraka ao anatin’ny tebiteby ny Malagasy, tsy manana antoka amin’ny ho avy fa dia mitaintaina tahaka ny sahobakaka ambodiriana. Moa mba tena ny hanasoa an’i Madagasikara no nahamaika tamin’ny fanagiazana ny firenena ka nanaovana ny tsy fanao ? Samy miandry ny rehetra amin’izay ho vahaolana manoloana ny : fidangan’ny vidim-piainana, tsy fahamarinan-toerana ara-toekarena, fitotongan’ny sandam-bola, firongatry ny tsy fandriampahalemana miseho amin’ny endriny maro, olana ara-politika,… Mbola hoentina amin’ny kisendresendra sy kitaitaitra ary ny programa manidintsidina ve sa mba efa misy ny programa matipaika sy fomba fiasa mahomby ? Raha mitodika amin’ny propagandy toa fihantsiana politika no re betsaka ankoatry ny fampifalifaliana amin’ny artista. Tsy afaka ny hiraviravy tànana anefa ny Malagasy, fa mila mandray lesona, mila mandray andraikitra,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT