Mbola mifanakiana ihany ny samy mpitondra fanjakana na dia hita fa efa halohalika aza ny ranombary momba ny tsy fandriampahalemana eto.
Hany ka manomboka maharesy lahatra ihany ilay filazana fa tena misy ny mpanao politika mahita tombontsoa amin'ny fikorontanan'ny firenena. Indraindray dia toa variana amina adin'akoholahy ny ao ambonimbony ao, varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso. Maro ireo Parlemantera sy minisitra ary olona ambony hafa no zanaky ny faritra atsimon'ny nosy iny ; efa nahatsikaritra zavatra hafahafa ny ankamaroan'izy ireo tany amin'ny fiandohan'ny volana jona. Nipoitra ny resaka Remenabila ny 9 jona. Aty amin'ny fiandohan'ny volana septambra anefa vao mikorapaka ny rehetra , may volon-tratra ka izay vao mihazakazaka mivory sy midinika. Nahagaga fa tsy nokarohana sy nosamborina avy hatrany ary nampiasana ny fitaovana rehetra teo am-pelatanana Remenabila raha vao fantatra. Niparady nanao matso teo Mahamasina ny foloalindahy fa ny dahalo manao ny ataony ihany any atsimo tamin'ny 26 jona.
Mihetsika hatramin'ny filohan'ny tetezamita ankehitriny ary matevina ny andian-tafika nalefa any Betroka. Nanome toky izy ireo fa hanao izay faraheriny amin'ny famerenana ny fandriampahalemana, ary atao izay rehetra azo atao mba hisamborana an-dRemenabila. Ny mampanahy anefa dia efa tara na diso aoriana loatra izao fihetsehan'ny fitondram-panjakana izao, hita ho efa tena manana drafitra sy paikady mihitsy mantsy ireo dahalo ary manohy ny asa ratsiny isan'andro. Ny mampametra-panontaniana koa dia ny hoe : efa mba misy ve ny hetsika goavana hikarohana sy hisamborana ireo dahalo ambony latabatra e ? Vonona ve ny fitondrana tetezamita hamongotra avy any ambony ka hatrany ambany ny asan-dahalo eto Madagasikara ? Goavana ny zavatra ataon'ny malaso any atsimo, ka noho izany tsy maintsy misy ny atidoha mikotrika izany, misy ny mpamatsy ara-bola sy ara-pitaovana ary misy koa ny mpampita vaovao any amin'ireo dahalo. Tsy lavitra ireo olona ireo fa ao anatin'ny fitondram-panjakana, eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ary any anaty foloalindahy any.
Raha ilaina koa dia tokony hanontaniana ireo mpitondra tetezamita teo aloha, mety efa nahalala zavatra momba ity raharaha any atsimo ity. Tamin'ny nitantanan'i Camille Vital ny governemanta mantsy, no namerenana ny fahafahan'i Madagasikara manondrana omby. Tsy mora ny asa miandry amin'ity ady amin'ny dahalo ity, ary ho zava-doza ho an'ny mpitondra ny tsy fisian'ny vokatra azo tsapain-tanana. Ela fidona loatra ny manampahefana ka nanararaotra tahaka ny banga mihomehy amin'ny alina ny dahalo. Mbola afaka mampiseho ny fahaiza-manaony anefa ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, fa tena mahavita azy tokoa izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.