Edito

Efa zatra


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Efa zatra tanteraka ny tsy fanjariana iainana eto amin’ity firenena ity ankehitriny ny vahoaka malagasy.

Na ny fitondram-panjakana aza mampametra-panontaniana hoe efa tena lasa izay fanazarana anaty tsy fampanjariana izay mihitsy ve no ataony idealy amin’ny politikany sa efa tafidina ambany toy ny an’ny valalabemandry ihany koa hatramin’ny fihevitra politikany? Efa zatra tsy fanjariana toy ny maro an’isa ihany koa. Misy mahavita rima sy tononkalo maro mihitsy ary tsy iray, tsy roa fa maro entina mitantara ny fako misavovona sy ny lalana feno lavaka. Io indray koa izao fa miverina ny hoe fitsirihana eny amin’ny tsena fa manararaotra ny mpivarotra sasany. Tsy nisy fepetra azo noraisina mialoha mihitsy hifehezana izany fampiakarana vidin’entana izany? Efa zatra daholo hatrany amin’ny farany ambany ka hatrany amin’ny farany ambony. Ny firenen-kafa efa mifaninana amin’ny fizarana fitaovana nomerika avo lenta isan-karazany ny antsika na fizarana masinina fanoratana iray sy roa sy solosaina tokana ho ana rafitra iray heverina fa misahana andraikitra goavana any ifotony any aza dia ireharehana na hoe hi-weraweran’ireo solontenan’ny fitondrana foibe tokoa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT