Edito

Efa zatra !


  • Talata 14 Martsa 2017

Moa va tsy efa zatra miaina loza amin’atambo ny Malagasy raha jerena amin’ny zava-misy sy iainana ankehitriny ?

Tsy miraika intsony fa toa toe-tsaina sy fomba fiaina efa raiki-tapisaka ny hoe efa zatra e ! Zatra miaina anaty fahantrana, zatra miaina anaty fahazaran-dratsy, zatra miaina anaty korontana, zatra mionona amin’ny eo am-pelatanana fa tsy mba vonon-kivoatra mihitsy. Ny fomba fiasa na ho an’ny vahoaka na ho an’ny mpitondra dia toy izany foana, ka mbola izao hita taratra amin’ny fiatrehana ny takaitra navelan’ny rivodoza izao. Zatra mangataka sy miandry fanampiana avy any ivelany ny rehetra. Ny vahoaka moa iaraha-mahita ny fahantrany sy ny fahasahiranany, ka mety ho afa-tsiny kely ihany, na dia azo ambara ihany aza hoe ny toe-tsaina no anisan’ny mampikorosy fahana ny Malagasy. Fa ity ataon’ny mpitondra no tena loza ! Efa hatramin’izay no niaina tamin’ny fangatahana na ny fanaovana fomban’ny saka, ary tsy mety miova mihitsy fa dia ny hafa hatrany no ianteherana hanao ny adidin’ny tena. Efa ela no fantatra fa hisy loza voajanahary eto amin’ny firenena, saingy inona no mba fiomanana natao ? Tsy mba takatry ny saina mihitsy ve fa tokony hampitomboina ny fanafarana sakafo mba hampitomboana ny tahiry ? Dia tena efa zatra tolorana tokoa isika, ka tsy mihevitra ny hitsinjo ny vodiandro ho merika intsony satria ny anio aza toa tsy hita izay hanaovana azy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT