Efa tsy hiova intsony io !

Sarotra ny hino sy hanantena fa ity fitondrana ankehitriny ity no hiova famindra !


  • Talata 04 Jona 2024

Toa manantena ny hitsanganan’ny maty any am-pasana, raha hanantena fa hanaiky ho diso,

rehefa tarafina amin’ny fomba fanaovany politika izay miha mitotongana hatrany. Mitombo andro aman’alina ny hadisoana politika, ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny tsy fahamarinana, fanjakazakana,… Dia io iaraha-mahita amin’ny raharaham-pifidianana io. Tsy misy tsy refesin’ny fitondrana ankehitriny izay manohitohina ny tiany hatao. Sarontsaronany ao anaty fifidianana feno lonilony ny fikatsahana depiote maro an’isa mba hilazana fa marin-toerana ny fitondrana. Dia io iaraha-mahita io anefa ankehitriny, fa miha mikatona ny rohim-pifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra, dia io fa may atsy may aroa, ka rehefa avy niserasera tamin’ny arabo, dia miditra amin’ny Asiatika indray satria raha ny fantatra dia any Korea Atsimo ny Filoham-pirenena. Tsy misy maharatsy ny diplaomasia misokatra, saingy ny toa iniana aderadera dia ny hoe : io ary izahay fa mahita làlan-kafa ary tsy mitamby aminareo rehefa tratry ny vely kanota noho ny tsy fanjariana ara-pitantanana samihafa. Tsy azo hoentina amin’ny mokon-doha tahaka ny fanaovana politika eto io, ary tena mila fahendrena ny fitantanana firenena. Ny mahery tsy maody hono tsy ela velona, ary misy fepetrany ihany ny fahefana, ka arakaraka ny maha ela an’io no mampihena ny taham-panohanana ka sao rehefa hianjahanja ho tratra farany eo vao hoe : domy aho ranoatra fa kenda !? Ny rehetra no mila mieritreritra ny tokony hatao, fa ny tànana efa zatra mitsotra tsy azo avokona intsony e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT