Edito

Efa tsipaky ny miala aina


  • Zoma 22 Jolay 2022

Mafana ny toe-draharaha ara-tsosialy sy toekarena, ary miara-dàlana amin’izany hatrany ihany koa ny politika. Miara-dàlana sy mifameno hatrany moa ireo.

Raha nangingina sy tsy nandrenesam-peo ireo vovonana sy herivelona samihafa, manomboka mirarakopana indray ny fanambarana politika amin’izao. Mitombo ny fahasahiana maneho, fa tsy mahavita azy intsony ity fitondrana ity, ka mila miala fa tsy mahavaha olana fa mandrebireby saim-bahoaka,… Fandaminana sy famahana ny olan’ny taksibean’Antananarivo aza tsy vita mainka fa fitantanana sy famahana ny olan’ny firenena miampy asa fampandrosoana ? Mitantana krizy, manao izay hamiliviliana saim-bahoaka, mampanantena lava, eny fa misy fampidiana vahoaka aza… no hany fomba fiasa hoenti-mitondra ny firenena amin’izao fotoana izao. Izay fivahan’ny olam-bahoaka izany toa lavitry ny kitay ny afo. Hita taratra ary miharihary fa tsy niomana hitondra firenena, mahay maka fahefana fa tsy mahay mitantana. Ekena ny fisian’ny krizy ara-pahasalamana iraisam-pirenena, ny ady any Ukraine,… saingy tsy azo hahilika lava amin’izany ny tsy fahaizana. Mbola tsy nisy an’izany no efa nihemotra tsikelikely isika, nanjaka ny kolikoly avo lenta,… Efa sary ratsy niainga hatrany amin’ny 2009 ny Fanjakana ratsy tantana sy laza ratsy ka nahatonga ny vahiny hanao ilay fanasokajiana hoe: “sans qualités”! Tany misy olobe tsy miady zaza, hoy ny oha-pitenenantsika, saingy miharihary ny savorovorom-piarahamonina ankehitriny satria toa tsy misy mpitondra to teny intsony. Ny mpanakanto ampifandrafesin’ny minisitera mpiahy azy, ny mpitatitra asavorovoro, ny fampianarana misy olona, ny volan’ny mpanao làlana tsy azo,… Fahagagana inona no hiseho ato anatin’ny herintaona mahery raha tarafina amin’izay zava-nisy sy hita tao anatin’ny 8 taona nitondrana firenena izay? Efa tsipaky ny miala aina fa tsy misy azo antenaina intsony! Ny azo antoka, hitombo hatrany ny lentan’ny fampiesonana manara-penitra amin’ny 2023 ka anjaran’ny rehetra no maka lesona.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT