Edito

Efa totoim-bintana mihitsy ve ?


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Mitsioka indray ny rivotra politika aty Afrika ao anatin’ny fifidianana, izay miafara amin’ny savorovoro sy ny krizy hatrany.

Mikorontana i Zimbabwe noho ny resa-pifidianana satria mifampiahiahy sy tsy manaiky resy ny kandidan’ny mpanohitra Nelson Chamisa, izay tohanan’i Robert Mugabe, filoha nitantana nandritra 29 taona. Ambara fa lany ny kandidam-panjakana, izay tsy iza fa ny filoha vonjimaika Emmerson Mnangagwa nasolo an’i Dadabe Mugabe rehefa naongana ny taona 2017. Raikitra ny korontana ary efa 6 ny maty hatry ny omaly. Any Mali ihany koa, dia ny 2/3 amin’ny kandida 24 no tsy manaiky voka-pifidianana noho ny ambara fa zavatra tsy ara-dalàna maro, ka nahalany ny filoha ankehitriny IBK na Ibrahim Boubacar Keïta. Mikorontana ny tany Afrikanina sasantsasany noho ny resa-pifidianana, ka hanao ahoana ny eto amintsika ? Tsikaritra sy toa hitovizana amin’ireo tranga ireo, dia tena miady mafy hitazona ny fahefana, ary voatondro ho nampiasa fahefam-panjakana hatrany. niaraha-nahita ny kajikajy tamin’ny lalàm-pifidianana, ary efa niafara tamin’ny fidinana an-dalambe, ary tsy hay izay mety tsy hampoizina ho avy eo. Ny azo hamehezana azy, dia mampiahiahy ny zava-misy ary an-kevitry ny hikorontana raha tsy mazava ny fitsipi-dalao. Tsy isika ihany fa ny volana desambra ihany koa dia hifidy izay ho filohany i RD Congo izay efa ahiana dieny ety am-boalohany ny korontana. Isika Afrikanina ve no adalam-pahefana ka miady lava sa hiniana ampiadiana ? Mifamotika, mifanongana, mifamono … Efa totoim-bitana mihitsy ve sa efa nateraka ny hampiadiana sy hambakaina ? Tsy misy nateraka hahantra sy hambakaina ary hikorontan-dava fa ny fahatongavan-tsaina no tsy misy e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT