Edito

Efa tonga saina ve ?


  • Alakamisy 23 Oktobra 2014

Hafahafa ny fanaovana politika eto Madagasikara ! Mbola miteny ny vola ary mbola maro be ny mpanao politika voavidim-bola. Mahoraka be eny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza eny fa hita ihany ny marimaritra iraisana eo amin’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ka hahazo fiara 4X4 vaovao indray ireto farany

Tsy misy maharatsy ny fahazoana fiara hahafahana mitety faritra sy miasa, ary mila izany mihitsy ny olom-boafidy. Ny mampanahy fotsiny dia ny hoe : sao lahy ka misy tambiny ny fahazoana ireto fiara tsy mataho-dalana ireto ? Ary ny mahagaga dia rehefa nivoaka ny resaka momba ny fahazoan’ny depiote fiara dia nangina tampoka ilay fitsipaham-pitokisana saika atao tamin’ny praiminisitra. Fifanandrifian-javatra ve izany sa inona ? Ho avy ihany koa izao ny fandinihana ny tetibolam-panjakana 2015, ka sao lahy ka ho lany ao anatin’ny andro vitsy indray izy io fa tsy hisy fandinihana lalina akory. Raha fotoan’ny marina izao dia tokony hampiseho fivoarana ireo solombavambahoaka fa tsy manangan-tanana sy mandray vola fotsiny. Efa tena sahirana ny vahoaka, ka inona ary no vahaolana  ? Enga anie ka tena hahatsapa tokoa ny andraikiny ireto olom-boafidin’ny Malagasy ireto ka hiasa ho an’ny tombontsoa iombonana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT