Edito

Efa tonga


  • Alarobia 21 Septambra 2016

Nanaitra ireo nahita ny fihetsika mahery nifanaovan’ireo silamo nifanjinja tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly.

Raha izao fihetsika izao dia ahiana hivaona any amin’ny resaka fampihorohoroana, hoy ny Raiamandreny iray teo anivon’ity finoana ity. Soratsoratra tsy an-kiera amin’ny vodim-piaran’olona miampy famakiana kodiarana, fifamaliana saika tsy an-kijanona na dia efa mpitandro filaminana ao anatin’ny lapan’ny fitsarana aza no nandamina. Midika zavatra avokoa ireo. Tao anatin’ireto mpino silamo nifampitory teny amin’ny fitsarana omaly ireto ve ireo silamo mahery fihetsika tena izy ? Raha ny fitazanana ny zava-misy avy ety ivelany aloha dia efa tonga tokoa ilay nampiahiahy efa volana maro lasa izay. Mampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao rahateo ny tsy andrenesana na dia siosio aza ilay raharaha nampifanolana ireo mpiray firenena Tiorka monina eto amintsika vao iray volana mahery izay.

Faralahimatoa    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT