Edito

Efa tena politika maloto !


  • Talata 23 Febroary 2021

Manomboka miha mifotetaka amin’ny tany hatrany ny fanaovana politika eto amintsika.

 

 

Miha maloto andro aman’alina, ary tsy ny hevitra sy ny foto-kevitra intsony no miady, fa efa tena ny olona mitady izay fomba rehetra mamohehitra hamelezana ny mpifanandrina. Fifandrifian-javatra ve ny fikitihana any amina resaka ankohonana sy fianankaviana? Ny mety ho famoronana vesatra handetehana olona iray? Tsy firesahana ilay tranga manokana niseho tato anatin’ny 72 ora lasa io, fa kosa toa mitady ho lasa fomba fiady eto. Tsy fombana na iza na iza, fa afa misy minisitra iray any am-ponja, ohatra, nanatsoaka ny fitoriana ny olona narisika ho vavolombelona sandoka, ary niaiky fa tsy misy hidiran’ny henjehina ny raharaha, saingy nipoitra tampoka any famoronana vesatra hafa. Ekena fa mety ho tafiditra amin’ny politika eto amintsika ny lalao maloto, saingy mba efa tena mivaona tanteraka ihany koa raha any amin’ny fiainam-pianankaviana sy ny tsy manan-tsiny no handeha hifamotika sy hitady fomba handemena ny mpifanadrina. Ny zava-drehetra mety ho zaka ihany, mety ho lefitra ihany,… fa ity resaka fanagadrana olona noho ny firehan-keviny ara-politika ity, io famonjana olona amin’ny zavatra azo lazaina ho tsy misy dikany io, ity ankisambotsambotra sy fandrahonana etsy sy eroa ity,… dia aleo tsorina fa mety hampihazakazaka vetivety ny firodanan’ny Fanjakana iray. Raha mbola zavatra azo halamina sy harindra tsy tokony hamotika fiainan’olona fahatany na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-politika, ary fahadisoan-kevitra goavana ny fiheverana fa ho eo mandrakizay. Efa izany no natao fitaovana nandrodanana ny tany aloha, saingy io fa miverina hatrany. Mbola tsy nahazo lesona foana ve ? Samia ho ela velona ary aleo ny tantara hatrany no hitsara!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT