Edito

Efa tena mitady loza


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Ny hatramin’izay mety ho vita ihany, fa ny ho avy no mety efa tena mihoatra ny tokony ho izy raha tanteraka tokoa. Ny kajy politikan’ny fanjakana HVM amin’ny fifidianana ho avy no tian-koresahana eto. Mandeha ny fomba rehetra hisakanana ny kandida amin’ny fifidianana ho avy


. Eo ny famoronana raharaham-pitsarana, fa kajy vaovao mety hokotrehina indray ny famerana ny taonan’ny kandida afaka mirotsaka ho 45 ka hatramin’ny 65 taona. Samy tonga ao an-tsain’ny maro avy hatrany, fa tsy ho ao anaty lisitra izany na i Marc Ravalomanana na I Andry Rajoelina, raha sanatria ka tanteraka io. Ny kajy maloto hanesorana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ihany koa efa misoko miadana. Midika izany, fa efa tena misoko mangina hatrany ny fandranitana ady politika lalina eto amin’ity firenena ity. Dia mihevitra ireo mpanao politika goavana hetraketrahiny lava ireo ho malemy sy tsy sahy tokoa ve ny HVM, ka hanao izay danin’ny kibony foana? Mety misy ny zavatra tsy azon’ireo hioarana, fa manana ny teboka mety hahafahany mitroatra ihany ireo, ka hotanteraka ara-bakiteny ny hoe singam-bolo mandavo ny vosotra. Sarotra ho an’ny fanjakana HVM rahateo ny hamantatra ny zavatra kotrehin’ireo mpanao politika lehibe atahorany sy sotasotainy ary hanaovany don-tandroka andro aman’alina ireo. Efa tena manandran-doza ny fanjakana ankehitriny, ary toa tsy tonga ao an-tsainy mihitsy ny hoe mety ho feno ihany ny kapoaka, ka ny fitobahany no mety ho tsy zaka. Maro ihany izay nihevi-tena ho mafy izay, ka dia ho hita eo na ho mafy mandrakizay na hidaraboka sy ratsy fiafara kokoa noho ny efa nisy e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT