Tsy tokony hisy intsony ny fihemoran'ny datim-pifidianana navoaky ny CENIT sy ny Firenena Mikambana.
Izay no ambetin-dresaka etsy sy eroa amin'izao fotoana. Hita fa maika sy dodona mba hivoaka amin'ny krizy sy hamarana izao tetezamita izao ny ankamaroan'ny olona. Efa tena mankaleo tanteraka mantsy ny fampijaliana ny vahoaka sy fambotriana ny firenena ataon'olom-bitsy eto Madagasikara, hoy ihany ny olon-tsotra miresaka. Mibaribary be loatra ny fitiavan-tenan'ny manampahefana sasany, indrindra fa ireo olon'ny FAT nandrodana ny fitondrana teo aloha ary nilokaloka fa hitondra fanovana eto. Mankaleo ny fizirizirian'ny mpanao politika sasany, tsy mahalala afa tsy ny tenany sy ny ankolafiny ary ny sezany ka vita mihitsy ny mamorona ny tsy misy mba hanaratsiana ny hafa. Ekena mihitsy fa misy fahefana mpitsara eto saingy, mampanahy be ihany ny zava-mitranga ao amin'ny fitsarana ao, araka ny filazan'ireo olona manan-draharaha satria toa misy dia misy ny teny midina. Ny fandriampahalemana moa dia tahaka ny efa lasa nofinofy toa ilay fahaleovantena ara-tsakafo nanaovana propagandy mipoapoaka tamin'ny Repoblika faharoa. Tsy voafehin'ny manampahefana ao anatin'izao tetezamita izao intsony ny asan-dahalo any atsimo ary atahorana hitatra ka ho tonga amin'ireo tanàn-dehibe. Dia sanatria ve ho tanteraka ilay hoe efa eo amin'ny Kianjan'ny 13 mey i emenabila vao hikoropaka sy handray andraikitra hentitra ny ao ambonimbony ao ? Tsy maintsy fifidianana no hamaranana ny tetezamita, fifidianana tena hanambaran'ny vahoaka ny heviny, fifidianana hahafahan'ny rehetra mandray anjara ihany koa, ary fifidianana hamantarana ny tena marina, tamin'ireo resabe natao teto hatramin'ny 2001. Nisy foana mantsy ny andiana mpanao politika nilaza fa tsy nandresy tamin'ny fihodinana voalohany izany i Marc Ravalomanana, ka izay no nahatonga ny krizy politika teto.
Rariny sy hitsiny raha avela ho kandida ny tenany, izy izay tsy manana fahefam-panjakana eo am-pelatanana intsony, ary azo ambara fa efa niha nalefaka ara-bola noho ny fahapotehan'ny orinasany rehetra teto, tamin'ny 26 janoary 2009. Fomba fiadin'ny kanosa ihany ny fanilihana an'ity filoha teo aloha ity. Azo atsangana ilay Haute Cour de Justice dia hadihadiana sy tsaraina ao avokoa izay mpitondra mampiahiahy.
Raha mbola fanenjehana sy fanosoram-potaka kosa aloha no hanilihana olona dia tsy mety e ! Hita ihany fa fahadisoana paikady ny nataon'ny FAT tamin'ny fanaovana antsojay an'i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy, satria toa vao mainka nampitombo ny heriny izany. Noho ny nataon’ny FAT ihany koa dia nampifoha ny olona tamin'ny torimasony fa hafa ihany i Dada, ary tsy mbola nisy ny nahavita ny vitany. Raha izao zava-mitranga eto izao aloha dia tsy mbola misy amin'ireo milaza azy fa mpanao politika mety hahavita ny ampahany kely tamin'ny vitan-dRavalomanana. Tsy tantara noforonina izany fa resaky ny olona andavanandro eny rehetra eny, ny olona izay efa tena leo amin'ny nanaovana ho tahaka ny kilalaon-jaza ny fitantanana ny firenena tato anatin'izay telo taona izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.