Edito

Efa tena lany henatra


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Manampahefana nanadala vehivavy vahiny, manampahefana tsy nahita fa efa nivadika vy ilay volamena tao anaty « coffre », manampahefana tafiditra amina raharaha ady tany,

manampahefana mandefa emmo reg any amin’ny fiangonan’olona, manampahefana miampanga manampahefana hafa hoe dahalo, manampahefana tsy manaja « parking » ka voapetaka « taquet d’arrêt » ny fiarany, manampahefana tsy misalasala manoratra teny ratsy eo amin’ny facebook, manampahefana manakarama olona hoe lanjao toa ny mpanjaka aho, manampahefana voatonona anarana amina fitaterana hazo sarobidy tsy ara-dalàna….hatreo ihany aloha na dia mbola azo itarina tsara aza.Tena tompondaka marina raha resaka zavatra hafahafa.Ny tranga tahaka izao anie no mahatonga ny olona tsy mahatoky intsony e, tena mampametra-panontaniana hoe : amin’ny fotoana inona izany no tena hoe manao ny asam-bahoaka tsy misy fangarony ireto manampahefana ireto ? Sa rehefa tsy misimisy afera vao mijery ny raharaham-panjakana, dia izao no alehany, ambony ambany ny resaka fitantanana ary tena samy mihevi-tena ho mafy sy tsy azon’aloka. Fa ny mahagaga dia tena mbola sahy mirehareha ihany, manenjika ny hafa, manilika andraikitra.Sa efa tena lany henatra e ?
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT