Inona moa izany no maha samy hafa ny miasa hatramin’ny 1 ora tolakandro sy ny miasa hatramin’ny 6 ora hariva?
Inona no maha samy hafa ny mivoaka amin’ny 4 ora maraina sy ny mody amin’ny 12 ora alina raha resaka fifehezana ity areti-mandripaka ankehitriny ity hatrany no resaka? Fa angaha moa tsy hoe fifampikasohana kely monja indray dia efa mety hiteraka zava-doza? Inona no maha samy hafa ny mifanisika taksibe rehefa hariva sy ny miara-mipetraka anatin’izany amin’izao fotoana izao? Ekena mihitsy fa fepetra tena hoe ain’ny fepetra hafa rehetra izany ankehitriny ny fampiasana arovava saingy tsy manakana ny fifampikasohana eo amin’ny mpiara-belona aloha izany raha ny hita, indrindra, nanomboka ny alatsinainy teo. Misy fanapahan-kevitra hita ho toa mivoana amin’ny lojika hatrany ary zary tazana ho fahamehana politika tanteraka ilay fahamehana ara-pahasalamana. Hita ho mialoha lalana hatrany ny serasera politika na dia tsikaritra ho nampitomboina aza ny mpiserasera medikaly ampandalovina isaky ny atoandro ao amin’ny fahitalavim-pirenena. Ny filazam-baovao hafa kosa dia manome sehatra hatrany ireo tompon'andraikitra politika. Izay aloha no hita. Kendaina ny sehatra tsy miankina kanefa terena tsy hampiato mpiara-miasa. Tsy omena sehatra hafa hahafahany mivelatra araka ny tokony ho izy hanetsemany ireo banga tamin’ny filany ihany koa. Heverina anefa fa fotoanan’ny fanovana kosa izao ka raha mbola ny fomba nisantarana fahantrana fahiny ihany no ho tohizana ankehitriny, atao inona moa fanarenana sy fampandrosoana?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.