Edito

Efa tara loatra


  • Alatsinainy 06 Jona 2016

Raha niseho ho mahay sy mahita vahaolana hatramin’izay ny fitondrana HVM, ankehitriny kosa nanova paikady ka milaza fa tsy vao izao no nahantra i Madagasikara fa vokatry ny tsy fisian’ny fitoniana sy ny tsy fahaiza-mitantana teto nandritra ny 50 taona. Miantso fiaraha-miasa ihany koa ny filoham-pirenena rehefa nahatsapa. Angamba tsy tafavoakany intsony ny baolina.


 Maro no mihevitra fa tara loatra ity antso ity, fa efa natao roa taona lasa izay, ka dingana voalohany tokony ho nampiharana azy ny fampihavanam-pirenena. Tsikaritra fa efa zavatra hafa mihitsy no ao an-dohan’ny mpanao politika amin’izao fotoana. Resaka fifidianana mialoha ny fotoana izao no malaza ka na ireo fikambanana sy antoko politika tsy dia be resaka aza dia manohana io tsirin-kevitra io. An-kilan’izay, efa manomboka miresadresaka fifidianana ihany koa ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Zavatra tsy tongatonga ho azy izany fa ao raha ! Tsy atao mahagaga raha mody manolo-tanana ireo mpanenjika azy indray mba hiara-kiasa ny filoham-pirenena satria efa fantany ny zavatra miandry azy raha mikiribiby manohy samirery ny lalany izy.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT