Toy ny vao omaly ilay raharaha 2009 nivoizana fa namadika tanindrazana ny mpitondra teto Madagasikara, raha saika hampanofa tany ny orinasa Koreanina iray.
Lasa adihevitra indray mantsy ity ny fampidirana ny arabo hampiasa sy hamboly eto amina velaran-tany an’aliny hektara. Tena mampalahelo ny vahoaka io, ka melohiko ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, ary manameloka ny governemanta aho, indrindra ny filoha, hoy ny filohantsika ankehitriny tamin’izany. Tsy fombantsika Malagasy ny mivarotra tanindrazana, eny fa na ny fampanofana amin’ny vahiny fotsiny aza, hoy izy. Tsy hanenjika na hanakiana, fa hay mety ho fomba fiasa tsy azo ihodivirana ihany ny fampindramana na fampanofana tany amin’ny vahiny, raha misy tetikasa lehibe heverina fa hisy tombony ho antsika. Tsy sanatria voagejan’ny tantara na mamendrofendro fa tokony haka lesona amin’izay isika ankehitriny. Aleo tsy manenjika be fahatany na manasoketa olona an-jambany. Herintaona nitondrana izy ankehitriny, izay mbola manana fotoana lava hahafahany manao zavatra. Afaka manatsara ny efa hitany fa mety, ary mbola afaka manitsy ny dia amin’izay tsy mety. Mila mahay mihaino sy malala-tsaina, fa tsy hihidy anaty rindrin’efatra. Mila mahay mampiombona sy manainga ny hery rehetra eto amin’ny firenena. Mila mijoro ho fitaratra amin’ny fitiavan-tanindrazana, ka manome ohatra tsara. Fa ny tena goavana dia mahatsapa ny Malagasy fa manana mpiaro fa tsy sanatria ho tompony mangataka atiny eto amin’ny taniny. Ny fahita eto matetika mantsy dia isika samy isika no mifamotika. Rehefa ny Malagasy no mba misandratra kely, dia nangalatra sy nangorona harem-pirenena ary manao ampihimamba, fa rehefa ny vahiny dia nahay nihary. Efa rano raraka ny lasa rehetra fa ny famindra amin’ny ho avy no andeha hahitsy, ka any volana, any andro any taona, mba ho tanteraka tokoa ilay hoe : dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay!!!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.