Edito

Efa propagandy e !


  • Alakamisy 04 Aogositra 2016

Efa tena manomboka mitsoka ny rivotry ny fifidianana filoham-pirenena. Misy ireo mpandraharaha na mpanao politika na olona nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena tsy dia re feo firy no manomboka miseho tsikelikely.

Misy ireo miseho mivantana, ao ireo mampiteny ny mpiara-miasa aminy, misy koa ny miditra amin’ny fanaovana asa sosialy aloha ary ao ny mampiasa ny fitaovan-tserasera sy fifandraisana na miezaka mambabo ny fon’ny olona amin’ny famoronana asa. Tsy dia atao mahagaga izany fihetsika izany satria herintaona sy tapany dia higadona ny 2018. Mbola resaka hafa aza raha toa ka atao mialoha ny fotoana ny fifidianana. Tsy fantatra mantsy izay zavatra mety hiseho eto. Efa miforona etsy sy eroa ny fikambanana, miha mahery vaika ny fanakianana ny fitondrana, mipoitra koa anefa ireo milaza fa miaro ny soatoavina repoblikanina sy ny safidy demokratika, foto-kevitra izay misy fahasamihafany amin’ny hoe manohana be fahatany ny fitondrana mijoro. Ary na ny antoko eo amin’ny fitondrana koa aza dia re fa efa miezaka mandamina ny ao anatiny ka ho avy ny fanahavana ny vary sy ny tsiparifary, misy ny ahi-dratsy tsy maintsy hoesorina. Samy te ho tsara endrika eo imasoan’ny vahoaka mpifidy ireo mpanao politika. Efa betsaka ny zava-nitranga teto izay ka tokony ho efa mba nahazo lesona ihany koa ny vahoaka mpifidy fa tsy ho jamban’ny vary 3 kapoaka sy ny T Shirt na vola kely tsy mahatody faran’ny volana akory amin’ny propagandy. Efa manomboka mantsy izy io a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT