Edito

Efa potika


  • Talata 31 Mey 2022

Matetika famerimberin’ireo fanehoan-kevitra mikasika ny fiainam-pirenena tao anaty 13 taona farany fara fahakeliny ny hoe “ho potika isika raha izao no mitohy”.

Ho potika ny firenena”. Nojerena anefa ny fivoaran’ny toe-draharaha taorian’izay. Niaraha-nahita fa fihemorana no nameno ny sehatra rehetra. Ankehitriny, tsy vitan’ny hoe tsy misy ho raisina ny harinkarena fa tena mihoatran’ny tsy misy ho raisina mihitsy. Miiba ambany dia ambany! -7,1%! Tondro iray goavana io milaza fa tsy an-dalana ho potika intsony ankehitriny ny firenena fa tena efa potika mihitsy. Firenena tsy nandalo ady an-trano. Tsy nandalovana daroka ara-tafika nahery vaika. Anatin’ny firenena miisa 7 manan-karena indrindra amin’ny harena voajanahary kanefa dia voasokajy isan’ireo firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany ary miaina fahantrana lalina ny 75%n’ireo vahoaka ao aminy. 60 taona mahery tsy nety tafavoaka tao anaty fahantrana. Tsy mety mahita vahaolana mahakasika ny sosialim-bahoaka ao hatramin’izao ny mpitondra ao aminy. Midangana isan’andro ny vidin’ny filam-bahoaka an-davan’andro. Tsy nihetsika ny vidin-tsolika na dia nisy fotoana aza nomem-potsiny ny an’ireo tany amin’ny firenen-kafa. Izao miverina amin’ny laoniny ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena vao hanambana ny hampiakatra tokoa ve, hoy ny fanontanian’ny mpahaitoekarena? Eo ny tsy fananana finiavana fa eo mihitsy koa ny tsy fahafaha-mihetsika noho ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao mbola mihatra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra isan-karazany. Firy taona moa no tsy nihariharian’izany teto amin’ity firenena ity sy nampahatsiahivana izany hatrany? Firifiry tamin’ireo mpitondra nandalo hatramin’izay ka hatramin’izao koa no tsy efa voatsikera manoloana io fomba fitantanana mampiharihary ny fiankinan-doha amina firenen-dehibe, indrindra, ny frantsay io saingy ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia hoe efa tena lany henatra ve ka na ny hampiseho fihetsika mandiso ny maha saribakolin’ny firenen-kafa aza tsy vita intsony ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT