Edito

Efa nahazo lesona tsara ve ?


  • Talata 24 Mey 2011

Tsy misy afa tsy Gaborone indray aloha no mibahan-toerana eo amin’ny resaka politika eto amintsika amin’izao fotoana.

 Samy misomebiseby ireo ankolafy politika ary tsy vitsy ireo mpanao politika no efa manomana valizy fa toa hoe ho any Botswana, hono e ! Mitombo sy mihamahazo vahana indray hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana etsy sy eroa hanomanana izay ambara any Gaborone, mazava tsara mantsy fa ankoatra ny adihevitra izay mety ho lavalava ihany ny amin’ny paikady mety indrindra hivoahana amin’ny krizy dia tsy maintsy hisy indray ny fizarana seza, satria tetezamita iaraha-mitantana no hajoro eto.

Ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert dia nilaza ny efa vonona, tsy mbola nilaza ny heviny kosa ny ankolafy Ratsiraka, ary i Andry Rajoelina moa dia efa tahaka ny fanaony ka tsy handeha, hono, izy raha tsy mahazo fanasana manokana amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy, ary sonia sisa no ataony any fa tsy adihevitra intsony. Misy dikany goavana anefa ny fiantsoana ireo ankolafy politika rehetra sy ny nambaran’ny Sadc fa fihaonana farany hikarohana ny vahaolana eken’ny rehetra mba hamaranana ny krizy ity atao any Gaborone ity. Tsy misy mihitsy ny filazana ao anatin’ilay fanambarana tamin’ny teny anglisy fa sonia sisa no atao dia samy mody ny rehetra ary milamina ny raharaha. Ka dia miandry ny rehetra ary mijery hoe : hamalan-kira indray ve sa hanao ahoana ny ankolafy Rajoelina izay nahatonga ny fikatsoan’ny fitadiavam-bahaolana noho ny tsy nanekeny ireo karazana fifanarahana iraisam-pirenena rehetra nisy ? Miverina amin’izay ihany anefa isika amin’izao fotoana, ary ireo mpanao politika maharaka tsara ny fandehan’ny raharaha aza dia mahita fa hitovitovy tamin’ny fehin-kevitra nivoaka tany Maputo no haterak’ity fihaonana any Gaborone ity. Midika izany fa tena fandanian’andro fotsiny no nataon’ny FAT hatramin’izay satria nandà mafy aloha, kanefa manaiky ny fanelanelanan’ny Sadc ihany ankehitriny.

Tsy ho mora ny adihevitra ao anatin’izany fivoriana izany raha ny fandinihana azy satria efa raiki-tampisaka amin’ireo mpitondra tetezamita, izany hoe i Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy fa mety ny ataon’izy ireo ary mandeha foana raharaha na eo na tsy eo ny Ankolafy 3. Tsy vonona amin’ny tena fiaraha-mitantana raha ny fahitana ny fitondrana tetezamita ary mahakely finoana raha ny fahitana ny zava-nisy hatramin’izay aloha ny hoe : hanaiky hiresaka am-pitoniana amin’i Marc Ravalomanana, i Andry Rajoelina. Maro anefa ny mahita fa hamaha olana maro ary hanafaingana ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy ny fihaonan’ny roa tonta. Na izany aza anefa dia misy ihany ny manantena fa efa nahazo lesona ny filohan’ny FAT ka tsy ho be fo fa tena hijoro amin’ny maha tompon’andraikitra azy ka afaka miresaka sy mifanakalo hevitra amin’ny rehetra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT