Edito

Efa naharay lesona ve ?


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Ny nahavitan’ireo fanadinam-panjakana no ela dia io fa mampiaka-peo indray ny sendikan’ireo mpampianatra eto Madagasikara.

Tsy nisy vokany hatreto nyfitakiana nataon’izy ireo, manao be marenina hatrany ny fanjakana.Niato noho ny fisian’ny fanadinam-panjakana tsy maintsy natrehana ny fitokonan’ireo mpampianatra saingy manomboka mampiaka-peo indray izy ireo ankehitriny.Taratasy fampatsiahivana ny fitakiana misey teboka 5 aloha nonaterina teny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly.Asa aloha raha hahazo fahafaham-po ny mpampianatra na hidona amin’ny rindrina tahaka ny mpanao gazety ihany koa .Tandindomin-doza anefa ny taom-pianarana 2016-2017 raha toa ka tsy mahita marimaritra iraisana eo ny fanjakana sy ny sendikan’ny mpampianatra.Ny fahaizan’ny ankizy Malagasy io efa iaraha-mahita fa mijojo io, ny fiatrehana ny fanadinana rakotry ny kitoatoa.Manana roa volana hamahana olana ny andaniny sy ny ankilany.Tena ain-dehiben’nyho avin’ny firenena ny fampianarana ka asa indray izay ho fihetsiky ny fitondram-panjakana, efa mba naharay lesona ve sa ho be mokon-doha ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT