Efa manasokajy tena ho tsy maty manota !

Miaina amin’ny politikan’ny henoy izany ry


  • Talata 04 Febroary 2025

hazon-damosiko ny Malagasy, ka tratry ny henoy izany ry hazon-damosiko eo anatrehan’ny

olana mikiky ny Firenena ka mampikoroso fahana ny fiainam-bahoaka. Tsy misy an-kihaino intsony eto, fa mizotra makany amin’ny jadon’olom-bitsy, fanjakazakan’olon-tokana, ampihimamba ara-toekerana, salobokomana amin’ny harem-pirenena,… Tena ara-bakiteny ny hoe : mahantra eo ambonin’ny harena ny Malagasy noho ny mizana tsindrian’ila, fitiavan-tena, fanjakazakan’ny vitsy an’isa,… ka zary lasa tompony mangatak’atiny. Dia tena ho tahaka izao ve i Madagasikara raha tena misy tokoa ny fahaiza-mitantana ? Dia mbola lazaina fa famendrofendroana indray araka ny kabarin’ny Filoham-pirenena ve ny filazana fa tsy handroso intsony i Madagasikara raha mbola izao no tohizana ? Tsy misy maniry ny hampilentika an’i Madagasikara eto, fa tsy maintsy lazaina kosa ny marina hoe : mpitondra tsy mahay no mitondra eto, mpitondra mpandetika sy mpambotry firenena, mpitondra tsy mba manaiky ho diso fa mpanamarin-tena, mpitondra tsy mitory fiombonana sy fihavanana fa mpihatsy ady,… Tezitra ny mpitondra rehefa tondroina ho jadona, kanefa inona intsony moa no tena fahalalahana eto ? Na mba mety misy hirika kely hahafahana miteny sy maneho hevitra aza angaha moa misy mihaino sy vonona hanitsy ny tsy mety ? Dia mitohy hatrany ny faharatsiana, mitombo ny fahadisoan-dàlana, mitombo ny fiheveran’ny mpitondra azy ho tsy maty manota satria mihamafy ny fiarovan-tseza sy fianteherana amin’ny manam-basy, miha mahery vaika ny famoretana,… Ny fanantenana mila asiana foana hoe : tsy maintsy mbola handroso sy hivoatra i Madagasikara, saingy tsy maintsy miala ao anaty gejan’ny politikam-panjahana, politikan’ny fitiavan-tena,… fa raha mbola izao tena na amin’ny 2050 aza ! Mila mifoha sy mamadika pejy na ny boky mihitsy no mila soloina!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT