Edito

Efa loza mihatra


  • Talata 01 Desambra 2015

Goavana ny fivoriana momba ny toetr’andro atao any Frantsa anomboka omaly satria efa tena marary izao tontolo izao noho ny fandotoana sy fanimbana ny tontolo iainana ataon’ny olombelona

 


. Zavatra tsy tena mbola manaitra firy  ny malagasy ity resaka tontolo iainana ity, kanefa isika dia anisan’ny firenena nahitana fahasimban’ny tontolo iainana faran’izay haingana. Teo aloha ny fandripahana ny ala, na atao saribao ny hazo na aondrana any ivelany na hanaovana trano sy fanaka. Efa tena manify ny ala atsinanana, nambara 50 taona lasa izay fa tsy ho ritra izany mihitsy. Efa mangadihady ny ao avaratra atsinanan’i Madagasikara ao, ripaka ny hazo sarobidy izay fiarovana voajanahary iny morontsiraka iny amin’ny rivo-mahery sy ny rivodoza anefa. Tafakatra 30° C ny hafanana eto Antananarivo Renivohitra amin’izao volana desambra izao, raha toa ka 28°C farafahamboniny no nahazatra teto tamin’ny taona 1980. Maro ny tany efa maniry fasika izany hoe miofo ho tany efitra tsikelikely any atsimo. Io iaraha-mahita io ihany koa fa matevina ny rotsak’orana ka azo antoka ny hisian’ny tondra-drano isan-taona amina faritra maro eto Madagasikara. Tsy angano izany fa efa zava-misy iainana ka mila mandray andraikitra ny tsirairay amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary mila manana politika mazava ny fitondram-panjakana hampahafantarana sy hanentanana ny olona mba hitandrina fa tsy hanaotao foana hanimba ny zava-boary manodidina azy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT