Edito

Efa lany tsianjery


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Efa lany tsianjery raha ny fomba fiasa sy fanaon’izao fitondrana izao tao anatin’izay 5 taona latsaka kely izay. Efa nananarana sy nezahan’ny maro nanitsiana azy ihany koa anefa.

Tsy ireo ivelan’ny fitondrana ihany no niezaka nanome soson-kevitra hanitsy amin’ny lafin-javatra samihafa fa hatramin’ireo iray sambo amin’izao fitondrana izao sy ireo heverina koa hoe mpanaradia azy manomboka tonga saina sy efa tonga saina mihitsy dia nisintaka satria hita fa tsy nahavaha olana hatramin’izao ny fampanantenana poakaty sy ny tsy fitazomana ny teny nomena ary tsy fahamenarana mamita-bahoaka. Anio ianao milaza fa tsy maintsy ampidinina ny vidin-tsolika. Rahampitso milaza indray fa tsy maintsy ampiakarina. Anio ianao milaza fa tia tanindrazana. Rahampitso mipoitra ny nafenina fa hay ianao nangataka zom-pirenena tamina firenen-kafa nandritry ny fotoana nitantananao ilay firenena lazainao fa tianao. Aiza ihany ilay fampandrosoana tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona hoe ho tontosainao anaty 5 taona? Nipoitra tamin’ny vato aman-kazo ve izany ireo hopitalim-panjakana sasany toy ny HJRA izay niorina ny taona 1965 sy ny CHUJRB ankehitriny, izay fantatra fahiny tamin’ny hoe hopitaly Befelatanana no sahinao ny milaza fa tsy mbola nisy nanao hopitaly tao anatin’ny 60 taona? Toy izany koa ny kianja Rabemananjara? Raha manara-penitra no resaka, azo lazaina ho manara-penitra ve ireo EPP mitete tafon-trano sy manara-pofona tonga hatrany amin’ny haino aman-jery vahiny ireny ny akony? Manara-penitra ve ireo biraom-panjakana vao naorin’izao fitondrana izao nirodana ho azy tao ho ao? Toy izany koa ireo hopitaly naorina tamin’ny tetezamita? Tsy mahita vahaolana manoloana ireo kitoatoa sy gaboraraka toy ny fanadinam-panjakana niparitaka mialohan’ny fotoana sy ny fanapahan-kevitra hampiaritra mpanao fanadinana amin’ny alina ankoatran’ny fitadiavana ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe “bouc émissaire” na “sorona”, hoy ny fomba fiteny malaza, foana ve ho atao tomponandraikitra hahafahana hiteny hoe “tsy mbo za”? Dia toy ny efa fanjonoina ireo heverina ho pirina madinika tamin’ireo raharaha sasany namofompofona fanodinkodinam-bola tanaty fitantanana raharaham-panjakana tao anatin’izay 5 taona izay ihany na tamin’ny raharaha volamena izany na “ecran plat”. Ny trondro vaventy tsy fantatry ny sarambabem-bahoaka hatramin’izao, ho tapitra ihany ity fotoam-piasana. Efa lany tsianjery! Efa iaraha-mahalala!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT