Edito

Efa lany andro


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010


Somary nangina ilay raharaha bolabola teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, raha nisy ny fahazoana fahafahana vonjimaika (LP) ireo olona 13 tamin’ireo voarohirohy. Ny hany mbola miandry ny fitsarana am-ponja, dia ilay Sinoa heverin’ny FAT fa atidoha nikotrika ny fanondranana ary ireo ambiny 9 izay sady tsy niakatra fitsarana akory, no hodiana tsy hita mihitsy ary novana ny anarana teo am-panadihadiana mba hahasarotra ny fikarohana. Raha ny fehin-tenin’ny fampanovana, izay noraisin’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana, dia ilay didim-panjakana laharana 2010-141 ny 24 martsa 2010 milaza ao amin’ny andininy faha-7 fa «henjehina araka ny lalàna famaizana malagasy ny fanondranana, fanapahana ary fitaterana an-tsokosoko ny bolabola».

Tsy misy anefa na dia andinin-dalàna iray aza mamaritra ny sazy amin’io andininy faha-7-n’ny didim-panjakana nosoniavin’ny Jly Camille Vital Albert io, ary ny lalàna famaizana malagasy rahateo na andininy iray aza tsy ahitana ny sazy amin’ny heloka momba ny fanondranana, na fanapahana, na fitaterana ity resaka bolabola ity. Ny hany hery ho an’ny fitsarana sy ny zandary nanao ny fanadihadiana, mba hahafahana milaza fa meloka ireo voarohirohy, dia nila vonjy tamin’ilay didim-panjakana tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, ny 25 janoary 1930.

Ity didim-panjakana tamin’ny andron’ny fanjanahantany ity, no entina hanamafisana ny fanenjehana ireo voarohirohy noho ny raharaha bolabola. Ilay teratany frantsay ministry ny fitsarana tamin’izany fotoana Lucien Hubert sy ny «ministre des colonies», François Piétri no namolavola azy ary raha ny volana janoary 1930 no nivoaka ilay didim-panjakana, dia ny 17 novambra 1930 vao nisy ny didim-pitondrana milaza ny fanatanterahana izany teto amintsika. Misy fizarana 8 ilay didim-panjakana (JORM 1930: Pj 1066 - 1071), ahitana andininy miisa 74, ary ny andininy faha-37 hatramin’ny 70 (miisa 34) no misy ireo sazy samy hafa. Raha dinihana izany ny fanenjehana ireo olona voarohirohy momba ilay trafikana “bois de rose” sarona tao amin’ny Port farany teo, dia ny andininy faha-49 ao amin’ity didim-panjakana lany andro ity no fomba hanasaziana ireo olona ireo.
 
Milaza io andininy faha-49 ny didim-panjakana 25 janoary 1930 io fa “ny fitrandrahana ireo hazo sarobidy tsy nahazoana alalana tamin’ny gouverneur général sy ireo mpiasan’ny rano sy ny ala frantsay mpanome ny fahazoan-dalana amin’izany ka nanaovana fitantanana an-tsoratra mazava sy nandraisana didy teo anivon’ny ‘conseil de l’administration’ dia henjehina ka ampandoavana lamandy 500 hatramin’ny 5.000 farantsa (vola tamin’izany) sy famonjana iray volana hatramin’ny iray taona, na ny iray amin’ireo sazy voalaza teo ireo ihany koa … ». Ny andininy faha-68 koa dia manamafy fa “ny vady, ny ray, ny reny, ny mpitaiza, dia tompon’andraikitra avy hatrany ho an’ireo heloka sy fandikan-dalàna nataon’ny vadiny, ny zanany tsy ampy taona ary ny taizany…». Ankoatra izay, dia milaza koa ity didim-panjakana lany andro ity, fa azo henjehina araka ilay andininy faha-400 ny didy famaizana malagasy tamin’izany ireo mpitrandraka, mpanondrana, mpanapaka, tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay, ny ala malagasy. Dia mbola izay izany no arahina hatramin’izao, satria raha ny lalàna tena mbola velona iainana ankehitriny nasiam-panavaozana, dia «azo aondrana ara-dalàna ny bolabola, fa tsy araka ny filazana hoe maha-voasazy ny fanondranana na ny fanapahana na ny fitaterana azy’. Ny lalàna no milaza fa tsy maintsy efa vita rafitra sy fanatsarana eto amintsika vao azo amidy any ivelany ». Mila fanavaozana ny lalàna Malagasy !
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT