87 andro sisa dia hifarana indray ny taona 2011. Toa ho nofinofy ihany ny mbola hahavitana fifidianana iray ao anatin’io fe-potoana io.
Dia nihodinkodina teto fotsiny indray izany isika nandritra ny herintaona. Hentitra ery anefa ny filohan’ny FAT tamin’ny voalohan’ny taona 2011 nilaza fa efa ampy izay ny fifampidinihana sy fifampiresahana, tsy ilaina intsony ny fivoahana any ivelany hivorivory, hiroso amin’ny asa ny fitondrana tetezamita ka izay manaraka dia manaraka, izay tsy mazoto mahazo miandry aloha. Nohamafisiny tamin’ny 26 jona fa hiainga ny sambo ka miditra izay vonona, mijanona kosa izay malaina.
Raha ny tena marina anefa dia tsy tafainga teo an-tseranana mihitsy ilay samboben’i Gasikara. Fihetsiketsehana no betsaka fa tsy misy izay tena asa mivaingana. Afaka hanova ny tantaran’i Madagasikara sy ny fiainam-pirenena ve ny 87 andro sisa amin’ity taona ity ? Izay izao no manitikitikka ny maro satria efa tena miantraika mivantana isan-tokantrano ny krizy. tsy misy izay tsy mimenomenona, afa-tsy hoe ireo be hatoka ao anatin’ny fitondrana angaha. Miha mitombo ny elanelana eo amin’ny mahantra sy ny manankarena eto Madagasikara, miha tia tena ny mpanao politika, tsy mety mahazo lesona tamin’ny tantara ary tena mbola mihevitra ny Malagasy ho bado foana. Maro ny fihaonana sy fivoriana atrehan’ireo mpanao politika. Tsy tena adihevitra anefa ny ao fa lasa resa-pianakaviana sisa.
Tsy misy intsony ny fifanoheran-kevitra fa dia fipasohana ny efa malama no betsaka. Lazaina fa mpanakorontana ny mpanohitra. Ny teo aloha foana no ambara fa loharanon’ny faharatsiana, fa ireo olon’ny FAT izany dia anjely, madio tsy misy pentina. Marina fa tsy misy mahalala izay hitranga rahampitso, saingy mora dia mora ny mamantatra ny zavatra mety hataon’ny mpanao politika malagasy, izay mahametimety azy ihany no idirany. Ambara fa tsy tokony hiverina eto i Marc Ravalomanana, lazaina indray avy eo fa afaka miverina tsy misy fepetra izy. Dia mivadika kely indray hoe miverina an-kalalahana izy fa samborina eny Ivato, dia ireo olona miteny ireo ihany no milaza indray fa afaka miverina izy ary mahazo manao politika. Tsy fantatra intsony izay tena marina. Anisan’ny antony mampihisitra ny fikaroham-bahaolana izany, ary tsy mahagaga raha hiteraka olana iray vaovao indray ny fizarana seza amin’ilay tetezamita iaraha-mitantana araka ny sori-dalana nosoniavina teny Maibahoaka tamin’ny 17 septambra 2011, satria ny tenany sy ny antokony aloha no mahamaika ireo mpanao politika, izay vao ny firenena. Ny olona omena toerana tsy mahavita azy, ny fomba fiasa tsy araka ny tokony ho izy, olona manonofy atoandro no mitantana azy ary mpamitaka sy mpampijabaka ny ankamaroan’ireo mpanolotsaina manodidina ny filohan’ny FAT ! Akoho tsy naneno tahaka izay efa lanin’ny kary. Hatrany am-boalohany no efa diso famindra i Andry Rajoelina ka na ahoana na ahoana mety ho fanapahan-keviny dia hanapotika tsimoramora azy izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.