Edito

Efa lamaody


  • Alatsinainy 12 Desambra 2016

Raha nahavaha olana angamba ny fanamelohana izay hetsika sy fihetsika nolazaina fa hoe : tsy manaja ny zon’olombelona na koa heloka bevava eo anatrehan’izao tontolo izao dia efa tanteraka tahaka izay ny tononkiram-pirenentsika hoe :


 « Hiadana sy ho finaritra, e sambatra tokoa izahay ». Iza moa ireo nilaza azy ho nahita tsy rariny nihatra teto ? Na olom-pirenena tsotra na mpitondra firenena na sehatra iraisam-pirenena dia samy efa nahenoana fanambarana fanamelohana ireo zava-droa loha voalaza teo aloha ireo avokoa. Vao tamin’iny herinandro lasa iny no nanambara indray izao ry zareo mpanao gazety mikambana eo anivon’ny Reporter Sans Frontière na ny RSF fa manameloka ny fanakatonana ny onjam-peo iray any Ilakaka any. Nilaza ihany koa ny avy eo anivon’ny Holafitry ny mpanao eto Madagasikara fa tsy mety io manakatokatona onjam-peo io. Nitranga ny zera baomba tetsy Mahamasina tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo dia nanameloka ireo tsy natahotody izay mbola tsy fantatra hatramin’izao ny avy eo anivon’ny mpitondra fanjakana. Toy izany ihany koa no zava-nisy tamin’ny raharaha Beroroha izay nahafatesana mpandeha taksiborosy maherin’ny 17. Ireo fanonganam-panjakana nifanesy izay efa zary mitady ho lamaody moa tsy lazaina intsony fa dia mitady ho lamaody tahaka azy koa ankehitriny ity fanamelohana lava tsy misy tohiny ity.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT