Edito

Efa fomba amam-panao e !


  • Alarobia 06 Aprily 2016

Asa goavana dia goavana raha ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola eto Madagasikara.


 Tsy sanatria fanakiviana ireo olona miasa ao anatin’ny rafitra miady amin’ireo areti-mandoza ireo fa tena sarotra ny raharaha. Efa tena lasa fomba amam-panao eto amintsika mihitsy mantsy ilay mametraka kely na mila tambiny kely hafa ankoatra ny karama rehefa manao asa na zavatra iray. Mifangaro amin’ny resaka hafaliam-po ilay izy ka vao miha manahirana. Izahay tsy manao kolikoly fa mba mifampitsinjo fotsiny, hoy ny olona sasany. Ao ny milaza fa tsy heloka ny manolotra vola kely na fanomezana ny olona nanao soa na nahavita asa tsara sy nahafa-po anao. Ny resaka akamakama sy fahafantaran’olona moa dia efa fomba fanao teto hatry ny ela ka hafaliana tsy omby tratra mihitsy rehefa hoe voatendry ho minisitra na voafidy ho depiote izay ny fianakavian’ny tena. Mbola tena hafaliana goavam-be lavitra noho izany moa raha hoe lasa filoham-pirenena i Dada na i Dadatoa na i Dadabe, tahaka ny hoe tonga ny famonjena. Tsy sanatria ny Malagasy rehetra no manana fomba fisainana tahaka izany fa misy ampahany betsaka, dia mifangaro ao ny fombafomba sy ny lalàna ka tsy hay havahana intsony ny mety sy ny tsy mety. Azo antoka fa anisan’ny sakana amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy ity resaka kolikoly ity satria lasa politikan’ny samy maka ho azy no manjaka fa tsy misy fifantohana amin’ny tombontsoa iombonana sy ny vina iraisana mihitsy.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT