Edito

Efa dodona !


  • Talata 07 Martsa 2017

Ekena fa tsy mifanaraka amin’ny toetrandro intsony ny rafi-pitantanana misy eto amintsika ankehitriny.

Tsy lavina fa ala tahaka be fahatany amin’ny rafitra frantsay izany ary mitombina ny fanamarihan’ireo milaza fa na ny lalàmpanorenana eto aza dia manahaka ny an’ny renimalala ihany koa. Nanana fotoana lava be anefa na ireo mpanao politika na ireo rehetra izay milaza azy ho mpandinika ny raharaham-pirenena nitakiana faran’izay zokiny ny hametrahana rafitra vaovao. Naninona no tsy natao mafy ny fitakiana tao anatin’izay fotoana lavabe izay fa ankehitriny rehefa antomotra ny 2018 vao lasa mivoaka ilay voambolana hoe ilaina ny manova rafitra. Moramora angaha izany ? Tsy toy ny milaza an-kolaka ve io hoe aleo aloha hanitatra ny fe-potoam-piasany ny fitondrana izay nahatonga ny 93%-n’ny malagasy hiaina anaty fahantrana ankehitriny. Hita fa efa dodona hiala amin’ny fahantrana ny malagasy ka ny vahaolana akaiky indrindra aloha dia ny hamerina ny olona afaka nanena io taham-pahantrana navoakan’ny PNUD io amin’ny toerany.

Mirija    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT