Edito

Efa bankiropitra ?


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Raha orinasa dia efa bankiropitra i Madagasikara. Na tsy ampy na tsy voaloa ara-dalàna ny karaman’ny mpiasa, tsy misy voaloa araka ny tokony ho izy ny hetra, tsy misy ny fandaharanasa matotra hiatrehana any hoavy ary tsy misy koa ny loharanom-bola azo antoka


. Zara raha ny asa mahazatra isan’andro ihany no atao aloha fa dia miandry izay tsara sitrapo na terem-panahy hanome vola hanavotana ilay orinasa sisa. Manampy an’io ary ity no tena raharaha dia misy ny mpitantana tsy mahafantatra akory ny zavatra tokony hataony hanavotana ilay orinasa sy ny mpiasa ao aminy fa dia mbola migalabona mihinana ny vola kely mba miditra isan’andro ihany. Ao koa ireo nampanantena fa raha ry zareo no tonga eo amin’ny fitantanana dia hahita vahaolana amin’izatsy sy izaroa… Inona akory ny teo fa toa vao mainka aza nitombo ny fahasahiranana. Hery vaovao no nandrasana, krizy vaovao no tonga. Tena in-droa nahita ny maizina ny Malagasy ary raha tsy misy ny fiovam-penitra mahery vaika eo amin’ireo mpitantana sy fandaminana haingana ny fomba fiasa ho an’ny rehetra dia ho laharana voalohany amin’ireo firenena mahantra fadiranovana indrindra isika atsy ho atsy. Enga anie ka mba tena hiasa ho amin’ny fampandrosoana ny Kaominina iadidiany tokoa ireo Ben’ny tanàna Hvm maro an’isa fa tsy sanatria ho lasa saribakoly sy fitaovana politika fotsiny hanamafisana orina ny sezan’ny sasany. Tsy fahotana ny manonofy e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT