Edito

Efa avy fadiranovana ?


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Miandry, miandry lava izao hatrany no ampanaovin’ireo manampahefana ny Malagasy mitaky ny hivoahana haingana amin’ny fahantrana lalina mahazo azy ankehitriny.

 

 

Efa mba avy nahantra daholo ve ireo mampiandry antsika rehetra ireo ? Efa avy fadiranovana toy ny mahazo ny ankamaroan’ny malagasy ankehitriny ve ? Tsy taitra akory ireo sehatra iraisampirenena namerina ny fanontaniana hoe « 9 volana ve dia tsy andry ? ». Toy ireny izy ireo ireny no niaina fitotonganam-piainana nandritry ny 50 taona mahery teto. Ny akamaroan’ireo ankolafy eto an-toerana amin’io efa tsy misy izay tsy miaiky fa ny fanelanelanana nataon’izy ireo no mbola vao mainka manamafy orina ny krizy eto amin’ny firenena ankehitriny. Manambara ny eo anivon’ny fitondram-panjakana fa efa mikaro-bahaolana kanefa ny teo aloha rehetra aza tsy nisy voavaha fa nilefy vetivety taorian’ny vono afo nihatra taminy dia nirongatra indray avy eo na tsy hitan’ny fitondram-panjakana fotsiny izao ny fisiany. Vahaolana manao ahoana no mbola hotadiavina ? Tena hitondra any amin’ny famahana ny fahoriam-bahoaka sa vahaolana hampaharitra ela eo amin’ny seza ?  Mampahatsiahy ny voalazan’ilay solombavambahoaka iray izay hoe raha tena manana fitiavan-tanindrazana tokoa dia tsy mila takiana akory ny fialany dia efa mahalala miala rehefa nandatsa-dra. Moa va tsy ilay niantefan’ny hafatra indray no nilaza ho tsy mitsoaka ady ny ampitson’io ? Sao dia mba tokony hanandrana hiaina am-bolana vitsy anaty fahantrana kosa ary ireo mpitondra sy manampahefana hahatsapany izany tsara ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT