Edito

Efa any ivelany ny tongotra ilany…


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Endriky ny tsy fisian’ny fitoniana ara-politika eto amin’ny tany sy ny firenena intsony ny zava-niseho teto Antananarivo ny sabotsy teo ireny.

Niharihary ny fandrangarangana hery sy fahefana, izay azo adika ho tahotra sy horohoro ho an’ny fitondrana matoa tonga hatramin’ny famoahana basy aman-tafondro. Tsy tokony hanan-tahotra na kely monja ny mpanohitra ny mpitondra raha mbola mahatoky fa mamim-bahoaka sy tena mbola tsara toerana. Matoa tonga amin’ireny, dia betsaka ny tahotra, manahy mafy amin’ny seza,… Olona hivory amin’ny faritra mifefy ve no atahorana sy sakanana? Raha miadana sy mahatsapa tombotsoa amin’izao fitondrana izao ny vahoaka dia ho rera-maina eo ny mpanohitra, ho lany rora hitsikera sy hanaratsy, fa tsy hisy vahoaka hino sy hanaiky ho voatariny amin’ny fihetsiketsehana sy famorian’olona. Ny vahoaka indray aza no mijoro hiaro ny fitondrana raha tena mahatsapa fa miasa sy mijery ny tombotsoan’ny maro an’isa marina ilay fitondrana, saingy tsy izay no miseho aloha amin’ny ankapobeny. Fampanantenana adrisa no betsaka, ary ny fampahalalalam-baovao vahiny aza dia mahitsy milaza fa “tompondakan’ny fampanatenana poakaty ny Filoha Malagasy na “Andry Rajoelina, le maître des désillusions” amin’izao herintaona mahery kely tsy hahataperan’ny fe-potoana hiasana izao mbola ny fampanantenana no mipoapoaka. Raha tena mbola mino sy mahatoky ny vahoaka, tsy mahazaka olona izany ny mpanohitra. Matoa anefa atahorana mafy ny fanoherana, atao izay fomba rehetra tsy ahafahany mamory vahoaka izay tsy teto Antananarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra samihafa, dia midika fa ao raha. Efa dingana farany amin’ny fitazomana fahefana ny fampiasan-kery hamoritra izay mpifanandrina rehefa tsy vita ny mandresy lahatra vahoaka amin’ny fampandrevorevoana lava. Vao miditra amin’ny fampiasan-kery sy herisetra sy kajikajy hitazomam-pahefana, dia efa midika izany fa ny tongotra ilany sisa no eo amin’ny fitondrana. Ny ampitso no hanamarina azy!
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT