Edito

Efa afo nandoro ny lamba


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra ny fanantenana vahaolana eo anatrehan’ny olona mianjady amin’ny vahoaka sy ny firenena Malagasy.

Toy ny naniraka amalona hatsaka raha izao Fanjakana ankehitriny izao no hantenaina hanao fahagagana, raha tarafina amin’izay fomba fiasany tao anatin’ny efatra taona latsaka kely izay. Ny daozin’ny fampantenana no azo antoka fa hiakatra ambony dia ambony ny lentany. Na hovokisana teny tsara lahatra sy hampanantenaina zavatra mamiratra lava eo aza anefa ny vahoaka, maro no efa tonga saina, betsaka no sahy maneho mivantana hoe: izahay tsy bado intsony, izahay tsy vendrana, izahay tsy “concombre”, hoy ny hafa. Ny nifidy aza tofoka sy leo, ary diso fanantenana tanteraka ka mbola hanantena inona amin’ny mpifidy moa izany izao fitondrana izao? Niditra tamin’ny varavaran-kely ka tsy tsara kokoa ve raha manaja tena mivoaka amin’ny varavaram-be? Hoy ny olom-pirenena. Efa iny tamin’ny 2018 iny vokatra tsara indrindra azony tamin’ny fifidianana. Tsy hitombo velively ireny raha ny lojika sy madio ny fifidianana satria ny nifidy anao aza betsaka no leo, ny tsy nifidy anao efa tsy hifidy, mitombo ny herijikan’ny mpanohitra,… Afo nandoro ny lamba ny Fanjakana volomboasary raha tarafina amin’ny zava-misy, ka hohalavirin’ny olona tahaka ny fasam-bao. Efa tahaka ny tanala very sampy ny ankamaroan’ny vahoaka, ka tonga any amin’ilay hoe: efa tsy izy intsony ity, tanala very sampy ka manova ny mety. Sarotra ny hisian’ny fahagagana ato anatin’ny herintaona izany, ary raha nanam-bahaolana tsy niandry ho latsaka lalina ohatr’izao vao hikofokofoka hivoaka ao an-davaka. Matoa tonga amin’izao, dia io no faraheriny. Samia ho ela velona hiaina ny tantara, ary mirary ny isam-batan’olona hahita ny rariny eo anatrehan’ny fiatrehana ny fahasahiranana sy fahantrana lalina ankehitriny, sady maka lesona hiatrehana ny ho avy hatrany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT