Edito Zogaina amin’ny fanabadoana…

Mbola ilay politika manana ny heviny dia ny fitantanana sy


  • Talata 18 Jona 2024

fampandrosoana ny tanàna sy ny firenena ve no hevitr’ilay politika ampisaintsika eto Madagasikara ?

Tena mifototra amin’ny fijerena ny soa iombonana sa efa tena bizinesy politika tsy mahalala afatsy sy seza sy fahefana ka hanaovana ny tsy fanao aza tsy olana intsony ? Toa iniana volena eto ny : politikan’ny fanabadoana, tsy maty manota, firaisana tsikombakomba amin’ny fampahantrana firenena, fanaovana tsinontsinona vahoaka amin’ny endriny maro,… Ny tena zava-doza dia ny lohany eto amin’ny firenena tokony hitarika ny Malagasy any amin’ny fisokafan’ny saina hahay handinika sy hanavaka ny ratsy sy ny tsara, hivoatra amin’ny lafiny maro,… no toa manisika ao an-tsainy ny kolontsain’ny ronono an-tavy, fampanantenana poakaty, famafazana lainga, tsy fanekena ho diso, tsy mampiombona fa mampisamaka,… Zava-doza ny fahapotehana ara-toetsaina sy ara-kolontsaina, fa indrindra ny politikam-panadoana entina hanjahana ny Malagasy amin’ny endriny rehetra. Toa zary lasa tsy mahataitra ny olona intsony ny zava-dratsy sy zava-doza samihafa mamohehitra na ara-politika io na eny amin’ny fiarahamonina satria simba sy nosimbaina ny soatoavina maro. Novolena ny kolontsaina tsy maty manota, ampanjakaina ny tany tsy tan-dalàna, nomena vahana ny kolikoly,… Dia io iaraha-mahita io ny vokany, fa nitsangana hatramin’ny efitra manasaraka ny sarangan’ny mpitondra izay miray feo sy miray hina hanamafy orina ny ambaindain’ny seza sy ny fahefana ka nanao izay hahazoana ny maro an’isa ahafahana miara-mihinana sy mameno paosy andaniny, ary ny sarangan’ny Malagasy miady amin’ny kapoaka isan’andro izay betsaka no atao fitaovana handatsa-bato. Dia mbola hotazanim-potsiny hatrany ve ny firodanan’ny firenena izay efa ampahantraina ara-toekaerana no mbola ampahantraina ara-tsaina sy ara-panahy mba hilentika tanteraka ao anaty ziogan’ny mpanao politika sy ampizogaina fahantrana lava eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT