Edito

Edito Vola, vola, vola


  • Zoma 03 Novambra 2017

Mba fantatr’ireo mpitondra tokoa ve ny hasin’ny zava-dazainy raha miventy mandrakariva hoe ho an’ny tombontsoam-bahoaka izy ireo ?

 
Toa hay ery ny mifandoka sy mifanatsara rehefa imasom-bahoaka ka milaza hoe “fantatray ny fanaovanao ny ainao tsy ho zavatra amin’ny fikatsahana izay hahasoa ny firenena” na dia efa hiaraha-mahita izao aza fa mitotongana hatrany ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka sy ny fari-piainan’izy ireo. Dia mbola sahin’ny sasany ihany koa ny milaza fa ny jamba ihany no tsy mahita. Vita ny mamahan-dalitra vahoaka amin’ny filazana fa tsy misy ny kajikajy politika fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena no tadiavina kanefa dia firy volana nialoha izao moa no efa hitan’ny mpandinika raharaham-pirenena rehetra fa tsy atokisan’ny filoham-pirenena intsony ny filohan’ny antenimierandoholona teo aloha amin’ny fandaniana azy amin’ny taona 2018 ? Firy andro mialoha ny nanoloana ity filoha ity no tsy nahenoana hoe ho apetraka ho loholona ny minisitra iray teo aloha dia avy eo hasolo ity mpitantana ny lapa maitso nandritry ny 8 volana sy 22 andro ity ? Toa tsy miafina intsony ankehitriny fa ilay tombontsoam-pirenena marina dia lasa voatakalo vola daholo. Tsy misy izay tsy ahenoana ho fihodinana vola be na tamin’ny raharaha Razaimamonjy na ny sata mifehy ny fifandraisana hatramin’izao fandaniana filohana andrim-panjakana vaovao izao dia vola, vola, vola hatrany no heno.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT