Mitarika resabe tsy mety vita ny fangatahan’ny mpitandro filaminana tetibola manokana 7 miliara ariary mahery mba hahafahan’izy ireo miasa mialoha mandritra sy aorian’ny fifidianana.
Mba taitra ny olon-tsotra raha naheno ity volabe ity ka tao koa no efa nilaza fa tokony homena vola manokana koa ve izany ny andrimasom-pokonolona isam-pokontany, ny tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany rehefa raikitra ny fifidianana, izany hoe ny fandatsaham-bato izany. Tao mihitsy aza ny olona nanao vazivazy hoe : nahoana moa raha mba omena vola solona saran-dalana koa ireo olom-pirenena somary lavitry ny birao fandatsaham-bato ? Maro mantsy ny mihevitra fa efa asan’ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila ny mitandro ny filaminana amin’ny fotoana rehetra tsy maintsy hanaovana izany, mandray karama isam-bolana miampy tambin-karama izy ireo, ary nandritra ity fitondrana tetezamita ity dia izy ireo no mpiasam-panjakana tena nahazo tombontsoa be indrindra, na ara-bola io, na ara-pitaovana na ara-piofanana.
Ka nahoana moa no mbola mitaky tetibola manokana indray ny mpitandro filaminana hiatrehana ny fifidianana ? Atao inona daholo io vola 7,6 miliara ariary io ? Afaka mamoaka ny antsipirihan’ny handaniana an’io ve ny mpitandro filaminana ka mba aseho vahoaka izany ? Mipetraka eto ny fanontaniana goavana : raha tsy manome io vola io ve izany ny fitondrana tetezamita dia tsy hiasa ny mpitandro filaminana manerana an’i Madagasikara amin’ny fotoan’ny propagandy sy ny andron’ny fandatsaham-bato ? Dia tsy maintsy misy io vola io tokoa ve vao afaka mihetsika sy miasa ny mpitandro filaminana ? Raha misy miaramila vahiny miditra manafika an’i Madagasikara tampoka ve dia tsy hihetsika ny foloalindahy ? Ambara mantsy fa « situation exceptionnelle » na tranga manokana amina vanim-potoana manokana izany, ka mila fandraisana fepetra manokana, izany hoe omena tambin-karama ambonin’ny efa raisiny isam-bolana ny miaramila sy ny zandary.
Misy koa ny mihevitra fa efa tsy to teny amin’ireo miaramila intsony ireo be galona eto amintsika ka tsy maintsy manambitamby amin’ny volabe aloha, izay vao mahavita mibaiko ny miaramilany. Sa ve rehefa tsy manana io vola omena ny mpitandro ny filaminana io ny fitondrana tetezamita dia ajanona aloha ny fifidianana satria tsy azo antoka ny filaminana ? Fa tena mampilamina mihitsy ve izany ny fizarana vola be e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.