Edito

Edito Vola fotsiny


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Dia ho toy izao foana ve aloha izany no iainana eto kanefa raha ny fisasasasan’ny vola re fa miasa any ambadika any hanaovana kolikoly toa mampiteny ny moana ny mandre azy?

 Laniana amin’ny famonoana afo isak’izay mihetsika hatrany ve izany izy ireny fa tsy mba ho hita hadio sy ho azo ampiasaina hananganana izay soa maharitra ho an’ny taranaka mihitsy? Toa mahalasa saina ihany ny voalazan’ilay mpitondra iray tamin’ny herinandro fa raha ananany tokoa hono ilay volabe nisy nangalatra voatonona hatrany fa azy dia tsy hijanona eo amin’ny andraikitra izay nametrahana azy intsony izy. Toa milaza ny tsy anontaniana sahady hoe vola fotsiny izany no antony hitanany ny andraikitra nametrahan’ny firenena azy fa tsy hikatsaka na oviana izay tombontsoam-bahoaka.  Ahoana moa no tsy hampivonto ny fo sy hahafeno ny kapoakan’ny valalabemandry rehefa maheno teny maha very ny fanantenany tahaka izany avy amin’ny mpitondra? Saingy fotsiny hoe ny fahatsiarovan-tenany ho toy ny natao fitaovana nandritry ny taona maro na dia namoy namana sy Havana tanatina tolona nifanesy angamba dia aleony maka aina sy manda ny antsoavon’ireo ahiany hamadi-palitao indray aloha! Ny mampalahelo ao anatin’izany rehetra izany anefa dia mitombo hatrany ny maripanan’ny aretim-pifanambakana sy fifamonoan-dramalagasy ankehitriny ary efa matimaty tanteraka ny taham-pifamelomana ao amin’ny. Mila vonjy ny gasy lahy sy ny gasy vavy, hoy ilay mpanakanto izay!

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT