Tsy mba nanan-tsafidy fa nanaiky izay niseho ireo rehetra lasan-ko razana na ny lasa efa ela na ireo nandao ny tany vao haingana.
Raha ny zava-nisy fahagola sy fahantaolo dia rehareha sy tsy fanimbazimba ny razambe ary nisy aza ny finoana fa mitahy mihitsy izy ireny. Ankehitriny kosa, raha ny vaovao tato ho ato no jerena, dia ny tsy hamoaka amin’ny vava lalandava ny teny hoe “Veloma ianao!!” sisa no tsy ataon’ireo taranaka aty aoriana izay ny mampalahelo ny mieritreritra azy dia hoe efa ho Razana atsy ho atsy ny sasany amin’izy ireo. Tsy manararaotra ny voalavo sy ny totozy fa tsy ao ny saka, toy ilay fomba fiteny, fa dia tena hoe manararaotra ireo taiza fa maty ny reny no hita taratra amin’ny zava-mitranga. Toy ny rano natondraka tamin-damosin’ny gana daholo ny hafatrafatra rehetra napetrany fahavelony ary mampiahiahy ny mpitazana aza hoe ny fandefonana ivohon’ireo mpanara-dia sy ireo noheverina ho raiamandrenin’ny firenena ihany no nahalavo ny mody nodokafana ho andrarezina. Toa tsy tafasaraka tampoka, toy ny fiheveran’ny ntaolo intsony ny lalan’ny velona sy ny modimandry fa tena toy ny iniana sarahana tampoka mihitsy ankehitriny. Fa maninona moa no rehefa lasa foana ireo noheverina ho nahavita be vao mody hobiana ho andrarezina ? Naninona no efa modimandry ilay olona vao mivoaka ny dosie mikasika ny fivarotana ny tanànany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.