Edito

Edito Velaro ny sehatra !


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Raha ny zava-misy hita soritra hatreto dia mbola ho ela mihitsy raha hisy vao hisy izany atao hoe fampandrosoana miainga amin’ny vina sy ny fampanantenana nataon’izao fitondrana izao marina eto.

 

 Na resaka fotsiny mikasika ny fampandrosoana aza tsikaritra ho nangingina. Lany ron-doha izay rehetra mba manoro ny amin’ny tokony hametrahana ho laharam-pahamehana ny atao hoe fampihavanam-pirenena fa ny fifanaovana haza lambo ireo izay hananana lonilony politika aloha izao no maika amin’ny fitondrana ankehitriny. Dia hifangaro voraka eto daholo aloha izany ny dosie tena misy sy izay noforonina fa any ivoho any aloha izay hamaha ny olan’ny vahoaka Malagasy. Tsy maintsy loloina ve aloha ireo fahavalo politika sy niseho niana-kendry tsy nanohana ny tena ? Eo aloha ianareo ry eny amin’ny anjerimanontolo sy ny mpiantoka ny jiro sy ranom-bahoaka fa mbola misy “fanadiovana” tsy maintsy ataon’ny fitondram-panjakana vaovao ? Tsara, maha te hidera, tena fahasahiana. Sombiny amin’ny fandokafana ny fitondram-panjakana ankehitriny noho ny fanasongadinany ny haza lambo atao amin’ireo lazaina fa fanetriben’ny firenena sy mpanao ampihimamba, indrindra moa, fa hoe ireo mpanao trafikana andramena nikoizana teto amin’ny firenena ireo rehetra ireo. Saingy… samy mametraka ity “saingy” ity daholo anefa ny ankamaroan’ireo naneho ny heviny mikasika ny fomban’ny fitondrana ankehitriny dia ny hoe velaro ny sehatra ! Fa maninona no tsy misy teratany vahiny voakasika mihitsy ? Anisan’ny mba nalaza koa anefa izany atao hoe teratany sinoa sy karana izany na tao anatin’ny fitondrana vao nifarana teo na tao anatin’ny tetezamita. Fa maninona ihany koa no tsy misy tamingana olon’ny tetezamita nalaza nohadihadiana hatramin’izao ? Tao anatin’ny 10 taona farany no tena nampalaza izany atao hoe gaboraraka amin’ny fitrandrahana harem-pirenena izany fa tsy tao anatin’ny 5 taona monja ihany. Raha tena demokratika sy tsy mitanila tokoa ny fitondrana ankehitriny dia sady mahay mihaino ny fitarainan’ireo manao fitakiana rehetra ankehitriny no mahay mandanjalanja ny tokony hatao fa tsy ho faly ny hameno an’Antanimora sy Tsiafahy lava izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT