Edito

Tsy vonona hanao lalao madio?


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Raha manodidina ny 200 ka hatramin’ny 300 ny antoko politika eto Madagasikara dia 30 mahery amin’ireo no nanasonia ilay “charte de bonne conduite”

na sata ara-pitondran-tena ho an’ny antoko politika sy ny kandida ho Filoham-pirenena, izay nampahafantarina ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy. Inona no mety nampisalasala ny hafa izay ny antokon’ny Fitondrana aloha no toa tsy dia tazana na misy mpiara-dia aminy vitsivitsy aza? Mbola misalasala sa tsy te ho voafatotry ny sonia eo anatrehan’ny kajikajy tiana hatao sanatria? Sa tsy mety amin’ny fomba fiady politikan’ny mpitondra na isan’ireo tazana tamin’ny adihevitra sy ny famolavolana azy aza ny volomboasary? Tanjona lehibe ifotoran’io ny fikatsahana fifidianana madio, mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara, milamina, andraisan’anjara fenon’ny olom-pirenena mba ho tena ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena. Izay kandida nanaiky nanasonia azy dia manaiky fa ny fifidianana no hany lalana demokratika tokana sy ekena ahazoana fahefana; manamafy fa tapa-kevitra hanao izay tratry ny hery hahatanteraka fifidianana malalaka, mangarahara, ary mandala ny fifandeferana araka ny fenitra demokratika, lavitry ny teritery sy fampitahorana ary ny antsojay; manaiky sy manaraka ny didy aman-dalàna manan-kery,… Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny tsy tokony ho fitanilana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana; mitsipaka sy mitoroka manoloana ny fampiasana fitaovam-panjakana, fahefam-panjakana, rafim-panjakana ho an’ny tombotsoa politika, manohitra, fampitambazana sy fampanantenana tombotsoa toy ny fanomezana asa amin’ny tsenam-panjakana,… Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fandavana ny fizarana vola, sakafo, kojakoja samihafa mba hamitahana mpifidy, manda ny hanery ankolaka na manodinkodina amin’ny endriny samihafa ireo mpiantsehatra ao anatin’ny tonjozotram-pifidianana ny mpikambana ao anatin’ny birao fandatsaham-bato,… Ampahany ihany ireo, ka fanamby iraisana ny tena hisian’ny fifidianana mba tena ho ara-drariny sy ara-dalàna. Tsara kosa ny manamarika, fa eo ambanin’ny lalàna tahaka ny lalàna mifehy fifidianana ny filaharan’ity sata ity, ary ny sonia sy fanekena no mamatotra ny antoko sy ny kandida eo anatrehan’ny hanajana na tsia azy io. Nampahafantarina io omaly io moa ny hiran’I Dama sy Théo Rakotovao izay miendrika fanentanana sy fampiasaintsainana ary fanabeazana ara-pifidianana hoe: “Tsy hamidy ny safidiko”. Ka tsy fifidianana tokoa moa ve no hatao eto sa fividianana e?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT