« Tsy voavidy vola ! ». Nanakoako eraky ny lalana namonjy ny fodian’ny kandida ho filoham-pirenena iray nihazo an’iny Ambohijatovo sy Ambohidahy iny izany hiakan’ireo mpanaradia azy izany ny sabotsy tolakandro teo.
Tsy mila velabelarina akory ny tian’ny hiaka hambara fa tonga dia mazava avy hatrany. Tena faharesen-dahatra ny an’ireo vahoaka marobe nirava avy ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina rehefa avy nanatrika ny faradobok’ilay malaza ho tsy mpandrava fa mpanangana. Na dia hita ho tsy tena tomombana mihoatra ny an’ny hafa izay havanana amin’ny seho ivelany mamirapiratra sy mirentirenty aza ny haingon-tsehatra sy ny fanamafisam-peo tao an-toerana dia hafa ihany ny olombelona rehefa tadidin’ny Malagasy fa nitondra soa teo amin’ny fiainany. Tsy ny Malagasy niaina tamin’izany fotoana ihany no nahatsiaro fa na ireo mpitazana avy tany ampitan-dranomasina nahavita namoaka horonantsary mihitsy nitantarany ny fahatongana sy fahalasana ary ny fiverenan’ilay heverin’ny Malagasy hatramin’izao ho hany tokana vahaolana hamerina ny fiainany amin’ny laoniny indray sy ho amin’ny tsaratsara kokoa. Hafa ihany ny tena izy fa tsy dika mitovy. Hafa mihitsy ny orijinaly fa tsy kopikole, hoy ny vazivazy izay. Ny mpifaninana aminy aza maka tahaka ny ataony sahady. Nahita ny vinan’asany sy ny famintinany izany dia iny fa tsy menatra akory nandika be fahatany. Izao tontolo izao sy ny olona no nidoka azy nialoha fa tsy izy no nidoka ny tenany avy hatrany. Ekena fa anaty fampielezankevitra isika ankehitriny ary lojika raha mba samy mandoka sy miezaka ny maneho fa tsara ny maha izy azy ny kandida tsirairay. Tsy fady akory ny midoka tena saingy na ho vy na ho vato dia tsy maintsy hiavaka eny foana izay tadidin’ny vahoaka fa « tena » nahavita. Tsy mila manakarama olona hilalao sarimihetsika hitantara sy hanatsara ny fiainany na koa hizara fanamiana maimaimpoana fa ny olona indray aza no mamboly fandavan-tena hanohana azy amin’ny fomba rehetra araka ny voalaza teo hoe « tsy voavidy vola ! ».
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.