Edito

Edito Tsy tia mandroso intsony


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Seza, volabe, voninahitra hihomehezan’izao tontolo izao fa hisolelahan’ny mpiray tanindrazana mila ranondranony amin’ireo be palitao sy manana fahefana hahafahana mandrombaka fahefana eto izany sisa izao no mba hany heverin’ny ankamaroan’ny mpitondra isan-tsokajiny sy lasa hanabeazany an-kolaka ny vahoaka ho fandrosoana.

 Heverina ho adala daholo ankehitriny ireo rehetra mikasa hitondra fanatsarana ny toerana sy ny tanàna misy azy, indrindra ireo maniry ny fisondrotan’ny fiainan’ireo mpiara-belona aminy. Efa tonga amin’ilay fitenenana rahateo moa izy ity hoe fiarahamonina sisa fa tsy fiaraha-mivelona intsony. Ireo tena maniry hitondra fampandrosoana hatrany no iharan’ny fingampingana rehetra. Efa diso nolomorin’ny kolontsaina hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra tao anatin’izay 50 taona mahery izay ve isika, hany ka lasa tsy tia mandroso intsony ? Toa resaka fotsiny ankehitriny ny hoe ho an’ny tombontsoam-bahoaka sy ny hoe maika ny fampandrosoana kanefa efa mibaribary be toa ny masoandro lohataona izao ny fihemorana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT