Tsy misy ny tonga lafatra 100%,
fa misy foana ny indro kely ! Tafiditra ao anatin’izany ny fiainam-pirenena sy ny toe-draharaha politika. Tsy voatery hitovy hevitra ny Malagasy 30 tapitrisa ary tsy afaka ho samy mpitondra Firenena, fa misy ny natokana hitondra ary misy ny natao hoentina. Na inona na inona hatao, na inona na inona fanapahan-kevitra heverina fa hahasoa ny Firenena, tsy maintsy misy foana ny tsy fitovian-kevitra. Amin’ny politika, misy ny natao hanohitra ary misy ny natao hotoherina, dia tahaka izany ihany koa ny olom-pirenena hoe misy ny mety hankasitraka fa ao ihany koa ny manenjika. Mila halavirina kosa anefa ny halako bika tsy tiko tarehy sy ny fiheverana fa ny hevitry ny tena ihany no marina fa ny hafa tsy misy izy avokoa. Mila halavirina ny halako bika tsy tiko tarehy na ny fanampoana tsangan’olona ka rehefa mifanohitra amin’ny fijerin’ny antoko misy ahy na ny mpanao politika tohanako dia ratsy sy tsy manjary avokoa. Ny hevitra tera-bary, ary samy nomena saina afaka handinika, maso afaka hijery,… ka ny minia mikipy sy tsy afaka ny handefitra na handinin-tena fa misora-tena ho zavatra sy tsy azo hihodivirana no isan’ny poizina ho an’ny Firenena. Manahirana ihany mantsy ny zava-misy ankehitriny, ny fiezahana hamboly fisavorovoroan-tsaina, ny fiezahana hamingana na hanaratsy na hanakivy ny vahoaka,... tonga hatrany amin’ny fanozongozonana ara-tsaina sy ara-politika teo anatrehan’ny faharesen-dahatry ny vahoaka fa hanavao sy hanovana isika. Tena mila fahalalahan-tsaina ny politika sy ny fiainam-pirenena, fa tsy voatery hoentina amin’ny hoe : rehefa tsy izahay, rehefa tsy ny hevitray, rehefa tsy ny olonay,… dia ratsy sy tsy mety avokoa. Vao roa volana isika izao, ekena fa misy ny tsy mety sy mila harenina, saingy tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny finiavana hanova ! Ilaina ihany koa anefa ny fifampihainoana, ny tsy fanamaivanana ny hevitry ny hafa, ny fijerena marimaritra iraisana. Efa lesona lehibe no azo tsoahina tamin’ny tolona farany teo fa ny fiheveran-tena ho tsy azo hatao na inona na inona, ny fanandratan-tena ho tompon’ny hery sy fahefana,… dia manatsimbadika haingana dia haingana ny toe-draharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.