Edito Tsy misy afa-tsy olana sisa!

Hita ho miaiky ihany ny fitondràna ankehitriny,


  • Talata 27 Mey 2025

amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikany samihafa toy ny JIRAMA, fa tsy

misy afa-tsy olana sisa izany no misy eto amin’ity firenena ity. Hatramin’ny ririnina aza olana mahatonga delestazy hila tsy hiato intsony. Ohatran’ireny hoe vao tamin’ity taona ity ireny no nisy ririnina teto Madagasikara! Tsy misy afa-tsy olana sisa! Izay rehetra hitan’izao fitondràna izao ka mitsikera ny ataony na manitsy ny tsy mety ataony koa dia olana aminy. Iza intsony moa nefa izao no tsy mahita fa efa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fiainana eto amin’ity firenena ity ankoatran’ireo mbola milaza fa miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ny filoham-pirenena sy ny governemantany? Ny filohan’ny antenimieram-pirenena izao iny nilaza iny fa tsy ho avy ao amin-drizareo mihitsy hono no hiteraka krizy ho an’ny governemanta. Ny vahoaka malagasy ve izany tsy maninona na krizy tahaka izao iainany ankehitriny izao aza? Krizy satria 5 taona mahery izay no tsy nahita fisondrotan-karama ny ankamaroan’ireo mpiasa. Krizy ihany koa satria mitombo ny isan’ireo orinasa mikatona vokatry ny zava-misy aterak’ity delestazy tsy mety voavaha ity. Mitombo koa ny dikan’izay ireo tsy an’asa. Eo ny krizin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Mitombo ny tsy fandriampahalemana sy endrika famoizam-po samihafa eny amin’ny fiarahamonina eny. Omaly fotsiny dia ireny niaraha-nahita ireny ny vehivavy hita faty teny Tanjombato. Rangahy hita faty tatsy. Lehilahy hita faty tsy nisy tanana na tsy nisy tongotra na tsy nisy loha intsony mihitsy tary sy taroa. Izany no krizy iainan’ny malagasy amin’izao fotoana izao saingy ho an’ireo natao hisolo ny vavan’ireo vahoaka ireo sasany ve izany ary mbola tsy krizy. Tao anatin’ny 8 taona mahery naha lehiben’ny governemanta ny praiminisitra no nitomboan’izany na koa hoe 7 taona mahery naha filoham-pirenena io filoham-pirenena ankehitriny io. Tao anatin’izay 8 taona mahery izay dia nanovanova minisitra sy sekreteram-panjakàna teo foana ilay praiminisitra. Niara-niasa nanovaova teo avy eo izy mirahalahy saingy ny nahagaga dia tsy sahin’ny filoham-pirenena nesorina mihitsy io praiminisiny io na dia efa nampiaiky hatramin’izao tontolo izao aza ny tsy fahombiazany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT