Edito

Edito Tsy mbola misy filamatra


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Na mpanao politika na mpitondra na manampahefana hafa eto amin’ity firenena ity aloha dia tsy misy azo atao filamatra daholo hatreto.

 

 

 Tsy safobe mantsina sanatria fa na dia fiteny aza ny hoe fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka dia indrisy fa ny fandoto mihitsy ankehitriny no hita ho iray siny. Miteny ny avy eo anivon’ny fitondrana hoe tsy misy ataontsika afa-tsy ny mifanenjika kanefa izy ireo koa dia mbola manohy ny fanenjehany ny mpitsikera azy hatrany. Tolo-dalàna miisa 5, hoy ramatoa filohan’ny antenimieram-pirenena omaly no mikatso ao amin’ny antenimierandoholona. Fa ny antenimiera taiza anefa moa no tena nilona tamin’ny fandinihana volavolan-dalàna teto ? Nanao ahoana ny fifandanjam-potoana ahafahana mandinika tolo-dalàna teo amin’ireo antenimiera roa tonta hatramin’izay ka hatramin’izao ? Asa na rahoviana ihany ny mpitondra Malagasy vao mba hahay hifanaiky fa samy nanana ampahana fahadisoana matoa nisy fanapahan-kevitra manan-danja tsy tanteraka. Izay tokoa angamba ilay hoe tsy zakan’ny mpitondra Malagasy ny toherina dia aleon’ny mpanao politika sasany mijoro ho hery mpanitsy na hoe “force d’interpellation”. Hatramina resaka lehiben’ny mpanohitra tsy mety tafapetraka eo anivon’ny antenimieram-pirenena avy no mbola handomana adihevitra sy hifanilihana andraikitra mandrak’androany. Ny volam-bahoaka hivoriana momba izany anefa miha lanilany fahatany. Soa ihany fa ny filohan’ny antenimieram-pirenena no nilaza hoe mifototra amin’ny fanaratsiana sy fankahalana ny fanaovana politika tato ho ato. Tsy misy etika sy deontolojia intsony, hoy izy fa any amin’ny tambajotran-tserasera aza variraraka ny ompa. “Isika rehetra”, izay raha fintinina no voakasik’izany. Tsy mbola misy filamatra mba tsy hilazana hoe nanjary tsy filamatra daholo. Iny izany izao omaly dia nisy antoko vao niforona 1 taona mahery kely kanefa dia nanala mpikambana ampahibemaso sahady indray. Hisy ho namana indray ve atsy ho atsy ny hoe Leader fanilo tarik’I ranona sy ranona na koa ny Mapar 1, 2, 3, 4 na RMDM sy TRMDM ? Ny an’ny sasany izany moa tsy hay intsony izay tena tokony handeha na ireo vovonana be dia be toy ny IRK sy IRD na ilay tena antoko hoe TGV. Samy tsy mbola misy filamatra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT